• Volavolan-dalana miisa 13, niampy tolo-dalana miisa 6 no lany teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza, nandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany, izay nifarana androany... • Mitaky ny fialan'ireo minisitra tsy mahavita ny andraikiny, ny antoko Malagasy Tonga Saina na MTS. Isan'izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... • Tafajoro ny vovonana marolafy “Miaradia”, mba ho fiomanana sy hanalefahana ny voka-drasty ateraky ny fiovan'ny toetrandro eto Madagasikara...

• Mitsidika Distrika maro ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Repoblika nanomboka omaly. Tsy manadino ireo Distrika tsy nisy mpijery nandritra ny taona maro ny fanjakana, hoy izy, isan'izany i Vohibato... • Tokony mametra-pialana ireo tompon'andraikitra tsy mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ka miteraka fahoriam-bahoaka amin'izao fotoana izao. Teny nataon'ny Depiote Gasikara Fenosoa tany Betafo... • Misedra olana amin'ny tsy fahampian-drà ny Malagasy. Nivoitra tamin'ny fanadihadiana natao manerana ny nosy momba ny tsy fahampian'ny singa mpamelona natao tamin'ny herintaona na ny ENCM 2024 izany...

• Ifampitadiavan'ny mpanjifa ny toby mpaninjara solika mivarotra lasantsy sy gasoil eto an-drenivohitra. Misedra olana ny mpitatitra. Efa tokony nosorohana mialoha izao tranga izao, hoy ny PMH... • Fotoana hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana eny anivon'ny kaominina izao, hoy ny KMF-CNOE, hisorohana ny olana mitranga tao aorian'ny fivoahan'ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana... • Tanterahana eto an-drenivohitra ny fihaonam-ben'ny firaisamonim-pirenena andiany faharoa. Mpikambana maherin'ny 200 manerana ny nosy no manatrika izany hatramin'ny rahampitso...

• Manomboka tsy ahitana solika intsony ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo, raha filaharam-be ny eny amin'ireo mbola manana tahiry. Ahiana hitarika any amin'ny fivarotana solika mitapoka izao olana izao, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... • Nomelohin'ny Fitsarana higadra 20 taona an-tranomaizaina, sazy mihatra, ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy. Nivoaka androany ny didim-pitsarana mihatra amin'ity manam-boninahitra eo anivon'ny tafika ity, izay tsy hita ny misy azy hatramin'izao... • Kasaina hovana ny lalana ahafahana manenjika ireo Solombavam-bahoaka, izay manana “immunité parlementaire”. Tsy maintsy hisy ny fanovana lalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota, hoy ny Filohan'ny CSI teny Tsimbazaza androany...

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...