• Niantso ny hanambarana hery ihany koa i Gascar Fenosoa, manoloana ny zava-misy. Nivoaka tamin'ny fahanginany ity kandidà Ben'ny Tanànan'Antananarivo ity, ka namoaka fanambarana androany...
  • Hanomboka tsy ho ela ny fametrahana ny vatofotor'ilay foibe vaovao famokarana herinaratra any Ranomafana, araka ny nambaran'ny Filoha omaly. Foibe hamokatra herinaratra 64 Mégawatts izy io...
  • Tsy ankasitrahan'ny K2HB ny mbola hikarakaran'ny Federasiôna fakan-kevitra indray hanatsarana ny baolina kitra. Ny hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-doha tamin'ny taona 2020 no tokony hampiharina, hoy ity fikambanana ity...

  • Feno herintaona omaly ny fe-potoam-pitondrana faharaon'ny Filoham-pirenena ankehitriny. Voafehin'ny fitondrana Rajoelina tanteraka ny lafiny pôlitika, hoy ny mpamakafaka Dany Rakotoson...
  • Hivoaka mialoha ny fetin'ny Noely ny vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo, hoy ny Filohan'ny CENI. Samy hanana ny fotoana hamoahany izany ny isam-paritany...
  • Hihena 20% ny rotsak'orana hatramin'ny taona 2050, ka misy fiantraikany amin'ny famatsiana rano sy herinaratra izany. Nasongadina izany tamin'ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo tany Andekaleka...

  • Voafehin'ny fitondrana Rajoelina tanteraka ny lafiny pôlitika, tao anatin'ny herintaona nitantanany ny firenena. Very fanantenana anefa ny vahoaka Malagasy, hoy i Dany Rakotoson...
  • Nampiaka-peo manoloana ny tsindry pôlitika ireo kandidà Ben'ny Tanàna tsy miankina miisa 18, izay mitarika amin'ny voka-pifidianana any amin'ny Distrikan'i Farafangana...
  • Hamafisina hatrany ny fambolen-kazo, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine, satria mbola hihena 20% ny rotsak'orana hatramin'ny taona 2050...

  • Miantso ny mpanohitra rehetra hanambatra hery Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, filoha lefitra fahafito eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Antso noho ny zava-niseho tamin'iny fifidianana teo iny...
  • Mitsangana manohitra ny voka-pifidianana ihany koa ny telo amin'ireo kandidà nirotsaka ho fidiana ben'ny tanànan'i Vohipeno. Mandrahona hitondra vahoaka an-dalambe izy ireo...
  • Tafaverina avokoa ireo biby malagasy nisy nanondrana antsokosoko tany Thaïlande. Tonga ny faran'ny herinandro teo ireo sokatra 757 sisa tavela tany an-toerana...
  • Nanome baiko ny hanakatonana ny masoivohony any Irlande ny governemanta israeliana. Anton'izany ny endrim-pankahalàna sy fanenjehina ny Jiosy any amin'ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...