• Nizotra am-pilaminana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina eny anivon'ny kaominina natao omaly. Am-piandrasana ny vokatra vonjy maika tany amin'ny kaominina misy azy avy ny mpifidy...
  • Nisaotra ny vahoaka Malagasy nanefa ny adidiny ny filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo. Miantso ny Malagasy hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana izy...
  • Volamena 13 kg mahery, saika ahondrana an-tsokosoko tany ivelany, no sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Teratany Malagasy nikasa handray ny sidina ho any Addis Abeba no nitondra ny entana...
  • Handrasana anio alakamisy ny anaran'izay ho praiministra frantsay handimby an'i Michel Barnier...

  • Mihamanatona ny morontsiraka avaratry ny nosy ilay rivodoza Chido, atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 3203 km, somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Hipaka amin'ny tapany avaratry ny nosy izy ny zoma izao...
  • Mahatsikaritra toe-javatra hafahafa momba ny lisitry ny mpifidy ampiasaina amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolotsaina rahampitso, ny antoko Tiako i Madagasikara sy Ramatoa Ravolomanana Lalatiana. Manainga ny vahoaka ho mailo izy ireo manoloana izany...
  • Nitombo iray indray ny fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, vatsian'ny FIDA vola...

  • Lasa rivo-doza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny nosy ity rivo-doza ity amin'ny zoma izao...
  • Nanaitra ny maro ny vaovao navoakan'ny anabavin'Itompokolahy Richard Ramanambitana, PDS an'Antananarivo teo aloha. Nopoizinina no nahafaty azy, hoy izy, omaly hariva tamin'ny tambajotra-tserasera...
  • 2 ora isan'andro sisa amin'izao no mandeha ny herinaratry ny JIRAMA ao tampon-tanànan'i Manakara. Efa 2 volana izao no miaina izao delestazy goavam-be izao ny mponina any an-toerana...
  • Miverina miatrika fitsaràna manomboka androany ny Praiministra Israelianina am-perin'asa, izay henjehina amin'ny resaka kolikoly sy fanaparam-pahefana, ingahy Benjamin Netanyahou...

  • Tapitra tamin'ny misasak'alina teo ny fahafaha-manao fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna manerana ny nosy. Miditra anatin'ny "fahanginana ara-pifidianana" isika anio...
  • Tsy ara-dalàna ny naneken'ny CENI ireo lehiben'ny fokontany afaka nanangona anaran'olona sy nangataka "ordonnance" teny amin'ny Fitsaràna, hoy ny KMF/Cnoe...
  • Notsipahan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tarehimarika nivoaka momba ny laharan'i Madagasikara amin'ny tahan'ny fahantrana. Ny antontan'isan'ny Banky iraisam-pirenena ihany no loharanom-baovao marina hoy izy...
  • Nampiato ireo fandaharan'asa fanampiana rehetra an'i Géorgie i Royaume-Uni. Atnon'izany ny toe-draharaha pôlitika misy any amin'ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...