♦ Nijoro omaly ny Governemantan'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Governemanta ahitana Minisitra miisa 27 ary Sekreteram-panjakana miisa roa... ♦ Manantena fidinana an-kianja ataon'ny mpikamban'ny Governemanta vaovao, mihaino ny vahoaka, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Nifarana omaly ny Fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi. Fihaonana iraisam-pirenena natao tetsy amin'ny CCI Ivato...
♦ Voatendry teny Iavoloha ny hariva teo, ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mpikambana 29 no mandrafitra ity Governemanta ity... ♦ Minisitra voasivana tamin'ny maro ireo notendrena ireo, hoy ny Filoham-pirenena androany tamin'ny lahateniny. Nambaran'ny Filoha fa tsy anarana fotsiny ny maha minisitra fa eo no manomboka ny asa... ♦ Nifarana androany ilay fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi, izay notontosaina teto Madagasikara. Adisisika sy fifanarahana maro no tinapaka nandritra izany...
♦ Tsy misy ny sakana tokony tsy ahatratraratsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo hoy ny Ministry ny fambolena sy ny Fiompiana raha ny tohana ataon'ny tetik'asa sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nanazava ny sehatr'asan'ny ministera niadidiany moa ny Ministra Ratohiarijaonina Suzelin... ♦ Mampihantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana i Madagasikara. Tanterahana etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena, ny fivoriana an-tampon'ny fifanarahan'i Nairobi momba ny COP andiany faha-11... ♦ Baolina kitra, nahavita nihazona ady sahala 01 noho 01 tamin'ny tompon'ny amboaran'i Angola tatsy Luanda renivohitra Angolais ny Elgeco Plus...
♦ Hoampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy anio tolakandro ny anaran'ireo ministra handrafitra ny governemanta Ntsay Christian. Fanambarana avy amin'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanatitra ny antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny lapan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy ny député voafidy tao Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary. Ny mpanao lalàna hoy izy no tokony hanaja ny lalàna voalohany... ♦ Hiatrika fivoriambe any Nosy-Be, Faritra Diana, rahampitso ny Infirmiers Malagasy. Miisa 445 ireo mpisandoka ho Infirmier tratra tao anatin'ny 8 volana nitantanan'ny biraon'ny holafitry ny Infirmier ankehitriny...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco