♦ Tsy afaka miasa ankalalahana ny mpikamban'ny  governemanta fa misy mibaiko azy ireo hoy ny filohan'ny antoko MTS Rolant Ratsiraka... ♦ Miandry ny famahana ny olana sôsialin'ny mponina ny solombavambahoaka miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Efa miroborobo ny sehatry ny fambolena any Ambatofinandrahana, olana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Naneho ny firaisan-kinany sy nangata-bavaka ho an'ireo olona sy firenena ahitana ilay valan'aretina MPOX i Papa François nanditra ny famaranana ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nahery vaika ny tifitra nataon'i Hesbolah tany Israely omaly, Rôkety miisa 320 no nalefan'izy ireo tany Tel Aviv...

♦ Tsy voahaja ny resaka fifandanjana isam-paritra anatin'io firafitry ny governemanta vaovao ny Praiministra Ntsa Christian io, hoy ny solombavambahoaka teo aloha Keron Idealson... ♦ Nanome toky ny hijery ny mahakasika ny fidangan'ny vidin'entana sy hanohy ny fametrahana ny taniketsa indostrialy ny ministry ny indostria sy ny varotra... ♦ Hijery manokana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana sy hanampy ireo tantsaha ny solombavambahoaka voafidy teo Tsironomandidy, tontosa omaly ny lanonana fametrahana samboady azy ireo... ♦ Niala an-daharana tsy ho isan'ireo mpifaninana hiazakazaka hiady ny toerana ao amin'ny maison blanche ny kandidà tsy miankina Robert Kennedy, hanohana an'i Donald Trump ny tenany...

♦ Notanterahina tao amin'ny kianjasoa Antsiranana ny lanonana fanokafana ny kongresy Eokaristika Nasiônaly andiany faha-III, eto Madagasikara... ♦ Nandray ny asany avy hatrany ireo ministra vao notendrena tamin'ny alalan'ny famindram-pitantanana omaly, samy nampanantena ny hiasa mafy araka ny fangatahan'ny filoham-pirenena izy ireo... ♦ Nahitam-bokany amin'ny famokarana herinaratra ny nandefasana orana artifisialy, andalam-pananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro ihany koa ny orinasa JIRAMA... ♦ Any Bangladesh : olona 4,5 tapitrisa voatery nafindra toerana, 13 hafa namoy ny ainy vokatry ny tondra-drano manerana ny firenena...

♦ Manana ny toerana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny, i Madagasikara, ary mandroso ny fifandraisantsika amin'ny any ivelany, hoy ny Filoham-pirenena. Mitaky fotoana anefa ny ezaka atao hampamiratra an'i Madagasikara, hoy izy... ♦ Tokony ho olona tia tanindrazana sy mahafantatra ny olana iainan'ny vahoaka ary hitondra vahaolana momba izany, ireo Minisitra vao notendrena, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...