♦ Velon-taraina amin'ireo antsojay ambarany ho mahazo azy ny Antesaka ka nampita hafatra ho an'ny fikambanana BAM sy ny Fikambanana Sud-Est... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny hirotsahan'ny ampaham-bola voalohany amin'ilay fandaharana FEC sy FRD mitentina 663 tapitrisa Dôlara. Miisa telo ireo fepetra nahafahana nisitraka io famatsiam-bola io... ♦ Niakatra 6,79% ny taham-pahafahana tamin'ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo renivohitra... ♦ Nodimandry tamin'ny alakamisy teo Mopera Blanco Rodriguez, izay mpampikonfesy an'ny Papa François...
♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fotoana hamoahan'ny HCC ny voka-pifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey lasa teo... ♦ Hisy ny fiovàna amin'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Na izany aza tsy hihoatra ny 200 Ariary isaky ny litatra, ny mety hiakarany na hidinan'izany vidin-tsolika izay... ♦ Hiroso amin'ny fanasaziana ireo mpanjono mbola minia mampiasa haratobe ny tompon'andraikitry ny jono any amin'ny Faritra Anôsy... ♦ Niverina indray ny savorovoro sy korontana ao Nouvelle Calédonie. Nisy ireo trano nirehitra alina....
♦Nahomby ny tetik'asa CASEF nandritra ny 7 taona niasany tamin'ny Faritra 16 teto Madagasikara... ♦ Efa miomana amin'ny fiatrehana ny fivoriana an-tampony momba ny "diniky ny ho avy" atao any Etazonia ny ministeran'ny raharaham-bahiny... ♦ Tsy ataon'ny fitondram-panjakàna Malagasy laharam-pahamehana ny fiarovana ny zon'ny ankizy, hoy ny Vovonan'ny Firaisamonim-pirenena misahana izany... ♦ Nandefa miaramila fanampiny any amin'ny faritra Tchassiv mba iarovana ity tanàna stratejika, any amin'ny sisin-tany Atsinanana manakaiky ny tanànan'i Dombass ity ny tafika Okraniana... ♦ Niharan'ny tifitra ny biraon'ny vokovoko mena iraisam-pirenena tany Gaza, omaly tolak'andro ; 22 isa no maty ary 45 naratra...
♦ Namoaka ny andiany faharoa nisalotra ny anarana "Voromahery" ny Institut Supérieur Saint Thomas d'Aquin tantanan'ny Saleziana Don Bosco any Fianarantsoa... ♦ Hatsaraina ny fitantanana ny loza sy ny tandin-dondoza, ka hisy ny fandraisana fepetra amehana mandritra ny fotoan'ny hisehoan'ny loza... ♦ Hanao hetsika filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara ireo tanora Malagasy am-pielezana miisa 10, tafiditra anatin'ny tetik'asa Loharano... ♦ Miha mafy ny disadisa misy eo amin'ny Corée Atsimo sy Corée Avaratra, nisy miaramila Kôreana Tavaratra saika hiditra an-keriny tao amin'ny sisin-tany mampisaraka ny firenena roa tonta omaly... ♦ Olona miisa 30 indray no namoy ny ainy omaly tany amin'ny faritr'it Gaza...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco