♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora... ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...
♦ Nampahafantarina sy niadian-kevitra androany, teny amin'ny Carlton Anosy, ny tetikasa PEI, teti-pivoarana hamatsiana angovo eto Madagasikara... ♦ Tombanana hahatratra 3 hetsy sy 2 tapitrisa Dolara Kanadianina ireo vokatra avy eto Madagasikara izay kasaina hahondrana any Canada... ♦ Niisa 26 ireo tranga fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary avy eto Madagasikara, tato anatin'ny enim-bolana, raha ny tatitry ny AVG...
♦ Ny talata 09 jolay izao no hivory voalohany eny Tsimbazaza anaty fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vaovao 163. Anarana roa no efa mandeha any, hitàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manambana ny tsy hitsara ny taratasim-panadinana BEPC ireo sendikàn'ny mpampianatra, raha tsy ho voaloa ny "vaccation". Efa maheno siosion-dresaka sahady ireo sendika, amin'ny tsy hahaloavana izany ara-potoana... ♦ Hanomboka amin'ity volana jolay ity ny fitsaràna miaramila taona 2024 eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Hanombohana izany ny eto Antananarivo... ♦ Nahitàna razana 19 tany amin'ny tanàna iray amin'ny sisin-tany iraisan'i Guatemala sy Mexique...
♦ Tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasàn'ireo solombavambahoaka teo aloha. Volavolan-dalàna 125 sy ireo tolo-dalàna 52 no nodinihin'izy ireo nandritra ny 5 taona hoy ny tatitry ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mpisolo toerana... ♦ Mbola voatàna hatramin'izao ny tetiandro vinavina hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna, raha ny nambaran'ny eo anivon'ny CENI. Tsy maintsy hotanterahina amin'ity taona ity izany hoy ny Praiministra, omaly... ♦ Hivory noho ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kaoperativa mpitatitra ao an-drenivohitra na ny UCTU. Hodinihina ny mety hampiakarana na hitazonana ny saran-dalana ankehitriny...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco