♦ Nifarana androany ny fivoriana ara-potoanan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Nikatona tanteraka androany koa ny fe-potoana fanaovan-dalàna ho an'ireo Solombavam-bahoaka teo aloha... ♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny fizotran'ny fanadinam-panjakana BEPC, manerana ny nosy... ♦ Hivory, handinika ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kôperativam-pitaterana ao Antananarivo Renivohitra na ny UCTU...

♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna faharoa amin'ity taona ity na ny BEPC nanomboka androany ny mpianatra taona faha-9, maherin'ny 290.000 ny mpiadina amin'izany manerana an'i Madagasikara... ♦ Mifarana androany voalohan'ny volana jolay ny fe-potoana fiasan'ireo solombavambahoaka miisa 151 voafidy ny taona 2019... ♦ Tsy hiantraika mivantana amin'ny toe-karena sy sôsialy eto Madagasikara ny fahazoantsika famatsiam-bola roa sosona, avy amin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena hoy ny mpahay toe-karena Jonah Andrianantoanina... ♦ Hihato manomboka rahampitso 02 jolay avokoa ny fihaonana samihafa fanaon'ny Papa François noho ny fe-potoana fialantsasatra ho azy, izay haharitra iray volana...

♦ Vonona amin'ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny fitondram-panjakana Malagasy, fepetra maro no efa napetraka momba izany... ♦ Omena tombondahiny amin'ny famatsiam-bola ao amin'ny Banky BNI ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fampivoarana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Hitsangana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera tsy miankina, izay hijoro ho hery afovoany... ♦ Olona 11 indray no namoy ny ainy ny alin'ny sabotsy hifoha omaly alahady vokatry ny daroka baomba nataon'ny tafika Rosiana an'i Ukraine tany Zapporijja sy Donesk... ♦ Olona 5 no maty, ka ny 3 tany Frantsa ary 2 tany Suisse vokatry ny andro ratsy ora-mikija...

♦ Tsy an'asa avokoa ny 68,50% ny tanora Malagasy latsaky ny 24 taona, tanora 500.000 isan-taona anefa no mahavita fianarana tokony hiditra amin'ny tontolon'ny asa... ♦ Ramilison Nomenjanahary : Fandresena ho an'ny vahoakan'i Faratsiho ny vikam-pifidianana ôfisialy navoakan'ny HCC, mitaky sy miandry ny asa ho ataon'ny solombavambahoaka voavao amin'izay ny vahoaka... ♦ Mahazo vahana ao amin'ny renivohitry ny distrika Betafo ny trangana famonoantena feo amin'ny tanora ka ny lehilahy no maro an'isa amin'ireo manao izany... ♦ Any Etats Unis : Nivoaka sempotra tamin'ilay ady hevitra nifanaovany tamin'ny Kandidan'ny Antoko repoblikanina Donald Trump ny filoha Joe Biden...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...