♦ Tsy tafiditra an'Analakely ny vondron'ireo kandidà miisa 11, nosakanan'ny mpitandro ny filaminana teo Ambohidahy, izy ireo... ♦ Nitrangan'ny savorovoro tany an-tampon-tananan'i Vohipeno androany... ♦ Mitohy ny tolona ataon'ny SECES sampana Antananarivo, izay no tapak'izy ireo nandritra ny fivoriambe natao teny Ankatso...
♦ Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, nanoloana ny biraon'ny Faritany teny Ambohidahy. Voasambotra ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM, vokatry ny hetsika notarihan'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Tsy misy atahorana ny ahiahy amin'ny fikomian'ny miaramila manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny Loholona Richard Ravalomanana... ♦ Nitarika disadisa teo amin'ny Fiangonana nisy azy ny fametrahan'ny Pasteur Rasolofotiana Miarintsoa ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Filoham-pirenena...
♦ Nobahanan'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny antoandro teo, tsy hiditra teny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena Mahamasina, ny vondron'ny kandidà nikasa hihaona tamin'ny tompon'andraikitry ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena... ♦ Antoko 13 ao anatin'ny Armada no niara-nanao fanambarana androany, fa ny fanajana ny voalazan'ny Lalàm-panorenana ihany no làlan-tokana hizorana, dia ny fanatanterahana ny fifidianana, ka manameloka ny fitadiavana savorovoro pôlitika eto Madagasikara, izy ireo...
♦ Mbola manana zom-pirenena malagasy ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny HCC teo aloha, Eric Rakotoarisoa... ♦ Tokony hosaziana ireo Andrim-panjakana tsy manara-dalàna, hoy ny fikambanana Fiverenana Andoharano... ♦ Niverina ny asan-dahalo, ny halatr'omby sy ny fakana an-keriny ary ny vaky fasana ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco