♦ Nanao fanambarana voalohany manoloana ilay raharaha fanapoizinana sakafo teny amin'ny sampanana Imerikasinina-Ambohimalaza ny tonia mpampanoa lalàna ao anivon'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra, taorian'ny fahavitan'ny fakana am-bavany an'ireo olona miisa 8, voarohirohy tamin'ity raharaha ity... ♦ Mbola nisy olona iray vaovao tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Imerikasinina iny ihany indray omaly tonga teny amin'ny hopitaly HJRA, miis 26 araka izany ireo manaraka fitsaboana eny an-toerana... ♦ Hiroso amin'ny fanisana ireo Malagasy mpanao asa tanana ny MInistera, hanohizana ny fizarana karatra maha matihanina...
• Miditra amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny fitantanana ao aminy, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Ny teny amin'ny CHU SSPA Analakely sy ny eny amin'ny CHU HJRA no nanombohana izany... • Hiroso amin'ny fanisana ireo mpanao asa tanana Malagasy ny Minisiteran'ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, ahafahana manohy ny fizarana karatra maha matihanina ho an'ireo mpana asa tanana... • Isan'ny lesoka amin'ny fanabeazana eto aminstika ny fandaharam-pianarana, ka mila ahitsy izany, hoy ny mpanabe iray...
• Hifarana tsy ho ela ny dimy taona, fe-potoam-piasan'ireo Loholona. Efa miomana amin'ny mety hisian'ny fahabangan-toerana eo anivon'ity andrim-panjakana ity ireo Loholona... • Nisy tamin'ireo mpiadina bakalorea, tokony hiatrika ny adina ara-panatanjahan-tena teny Ankatso, no tratran'ilay fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Tsy maintsy handraisana fepetra izy ireo... • Sabotsy fahatelo amin'ny atrikasa izay tafiditra ao anatin'ny iray volana anandratana ny teny malagasy, karakarain'ny Havatsa UPEM, ny rahampitso. Hanjariliva no hiatrika ny atrikasa...
• Tsy ho afa-bela izay nanapoizina ny sakafo nitera-doza teny amin'ny sampanana Imerikasinina Ambohimalaza. Misy mpisompatra koa ao amin'ny JIRAMA, hoy ny Filoha Andry Rajoelina... • Mametra-panontaniana sy miahiahy amin'ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sy ny mpitondra fanjakana, ny Sendika Mahaleo tena eo anivon'ity Kaominina ity... • Efa mihatra ny karatra fahazoan-dalana elektronika ho an'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco