♦ Hiatrika ny fanadianm-panjakana CEPE anio, ireo ankizy amin'ny kilasy Taona faha-5 manerana ny nosy... ♦ Miantso ny HCC hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidm-bahoaka ny vondron'ny firaisamonim-pirenena Rohy... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny solontenan'ny mpiasa Malagasy tany amin'ny Fivoriamben'ny OIT tany Genève, ireo mpitarika sendilà hatramin'izao. Notsikerain'ny FISEMARE ny fomba nitondrana ireo solontenan'ny sendikà tany an-toerana...
♦ Miantso ny HCC, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Rohy, mba hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidim-bahoaka, ka tsy hitanila amin'ny famoahany ny voka-pifidianana... ♦ Mpiadina 529.000 no hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, rahampitso... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny mpiasa Malagasy nentina tany Genève, ireo mpitarika sendikà, telo andro aty aorian'ny fivoriamben'ny OIT. Niresaka momba ity tranga ity ihany koa ny FISEMARE androany...
♦ Tandindomin-doza ny ho avin'ny ankizy sy ny tanora eto Madagasikara. Horonantsary na sary mamoafady andraisan'ny ankizy anjara miisa 79.000 no mivoaka eto Madagasikara amin'ny alalan'ny tambazotram-pifandraisan-davitra... ♦ Tsy mbola nahitàna tranga mahery vaika amin'ny fahalotoan'ny ranomasina avy amin'ny solika eto Madagasikara. Na izany aza misy hatrany ny fanazarantena hiatrehana izany... ♦ Saron'ny zandary tao Vangaindrano tamin'ny herinandro lasa teo ny rongony 56 gony, milanja 749,36kg... ♦ Olona fito farafahakeliny no maty vokatry ny fifandonan'ny lamasinina 2, tany antsinanan'i Inde...
♦ Tsy tokony hifehy antsika ny fitaovam-pifandraisana na eo aza ny fivoarana mirimorimo misy ankehitriny. Nanamarika ny andro eran-tany faha-58 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny teto amin'ny Diosezin'Antananarivo omaly alahady sy tamin'ny sabotsy lasa teo... ♦ Tsy azo ovaina na ahodina ny safidim-bahoaka hoy ny filoham-pirenena tany Toamasina raha nitokana foto-drafitr'asa vita tany izy ny sabotsy teo... ♦ Miantso ireo tanora miatrika ny adina ara-panatanjahantena amin'ny fanadinana bakalôreà ny mpitsabo mba hisakafo maraina. Miisa dimy isan'andro ireo mpiadina safotra ho an'ny eny amin'ny foibem-panadinana Ankatso... ♦ Manameloka ny herisetra misesisesy amoizana ain'olona am-polony, atsy RDC, i Papa François...
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco