♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ireo kandidà 119 avy amin'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nandiso ireo vaovao miparitaka amin'ny Facebook Andriamatoa Marc Ravalomanana, omaly... ♦ Lehilahy iray, 63 taona, indray no tra-tehaka tamin'ny resaka fanolànana, omaly. Voalaza fa efa telo taona izao no nanolany ny zanany vavy vao 18 taona, ity raim-pianakaviana ity... ♦ Mbola maro ireo akon'ireo hetsika fanamarihana ny 8 marsa, nataon'ireo fikambanana samihafa eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra no hifampizarana amin'ny alalan'ny fampahalalana vaovao... ♦ Naneho ny fahavononany handamina ny ady eo amin'ny Rosia sy Ukraine ny filoha Turc, Recep Tayip Erdogan...

♦ Nanetriketrika ny fankalazana ny 8 marsa nanerana ny nosy omaly. Samy nanana ny endriky ny fanamarihana ny toerana samihafa, ankoatra ny hetsika ôfisialy tany Toamasina, notarihin'ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Mbola vitsy ireo vehivavy sahy misehatra eo amin'ny resaka pôlitika eto Madagasikara. Vehivavy mpanao pôlitika iray no hitondra ny heviny momba ireo sakana ho azy ireo, amin'ny sehatry ny pôlitika... ♦ Nampiakarin'ireo any ifotony ny vidin'ny volamena. Nitaraina ireo mpandraharaha 6 nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa maty antoka izy ireo, vokatr'izany fanararaotana izany... ♦ Mpianatra hatrany amin'ny 300 isa no nisy naka an-keriny tany avaratra-andrefan'i Nigéria...

♦ Ny ady ho amin'ny fitovian-jo sy fampanajana ny zon'ny vehivavy, no mbola takiana ho antsika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina, tany Toamasina... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha enina nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa nampakarin'ireo mpitrandraka any ifotony ny vidin'ny volamena... ♦ Nanjaka ny asan-dahalo tao amin'ny Fokontany Rangaina, Kaominina Fiaferana, Distrikan'Avaradrano. Nahazo “Poste fixe” ho an'ny zandary ity Fokontany ity...

♦ Omena sehatra ao anatin'izao vaovao antoandro izao ireo vehivavy, amin'ity datin'ny 8 marsa ity... ♦ Tsy misy fanavahana fa iharan'ny sazy avoko ireo rehetra voaheloka amin'ny fanolanana, ary efa nanome toromarika ny hampiharana ilay fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Efa manomboka milamina ny ao Manakara, tao aorian'ny fivoriana notarihan'ny Préfet any an-toerana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...