♦ Miteraka resa-be ilay fanapahan-kevitry ny fitondràna tsy hanitsy ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2023. Fahadisoana lehibe na "faute grave" ny tsy hanaovana izany hoy ny antoko VHT... ♦ Vola 500 tapitrisa dôlara isan-taona no voahodikodina eo anivon'ny Jirama hoy ny solombavambahoaka Rolland Ratsiraka. Mangataka amin'y Bianco sy ny PAC izy, hanokatra fanadihadiana momba izany... ♦ Distrika 100 manerana ny nosy no kendrena hisitraka tetik'asa fiahiana ara-tsôsialy eo anivon'ny Ministeran'ny mponina amin'ity taona ity. Havaozina hanatsarana izany ny pôlitikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy...
♦ Maherin'ny 57.000 isa ireo tsy tomombana, maherin'ny 29.000 isa ireo anarana niverimberina ao anatin'ny lisi-pifidianana. Nampahafantatra izany ny Ceni omaly, taorian'ny fitsirihana natao tamin'io lisitra io... ♦ Nihaona tany Paris ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Seha-pampandrosoana maro no voaresaky ny roa tonta tamin'izany... ♦ Antotan-kevitra mirefy 16 km no voatahiry eo anivon'ny Arsivam-pirenena malagasy nanomboka tamin'ny 1824. Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Arsiva isika eto Madagasikara, nentina nampahafantarana izany....
♦ Hataon'ny Diôsezin'Antananarivo veloma sy ho tsofin-drano, mialoha ny hihazoany ny Diôsezin'i Morondava, izay nahavoatendry azy ho Eveka Mpanampy, i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, amin'ny talata ho avy izao... ♦ Nampahafantatra ny valin'ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny Foibe toerany teny Alarobia androany, ny CENI... ♦ Mipetraka eto amintsika ankehitriny, ny Antenimieran'ny varotra Israely-Madagasikara. Notokanana androany izany...
♦ Halalahana ny sehatry ny famokarana angovo eto Madagasikara. Hisy noho izany ny orinasa hifaninana amin'ny Jirama... ♦ Ho fantatra tsy ho ela ny teti-bola farany ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny tantaran'ny Zotran-dalamby TCE...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco