♦ Manatanteraka fivahinianana Masina any Jerosalema ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny ankohonany. Hihaona amin'ny Filoha Israeliana ihany koa izy mandritra izao diany any izao... ♦ Atahorana ny fihenjanan'ny toe-draharaha politika ato ho ato eto Madagasikara hoy ny prefet an'Antananarivo Ny jeneraly Ravelonarivo Angelo. Antony nandraisan'ny Fanjakàna fepetra tsy hitaran'izany... ♦ Basket ball, hanoman-tena hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Hongrie amin'ity taona ity ny ekipam-pirenena Ankoay lehilahy latsaky ny 19 taona. Hihazo an'i La-Frantsa rahampitso ny delegasiôna malagasy...
♦ Miantso ny mpanao politika hanaja ny fitoniana amin'izao ankatoky ny Paka izao ny vovonana "Isika Fikambanana Miaradia amin'i Andry Rajoelina" na ny IFI. Tsy nisy ny fahanginana ara-politika tamin'ity taona ity hoy ny antoko Fiombonana noho ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna ihany... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny fahasalamana. Miantso ny mpamokatra hamokatra sakafo ara-pahasalamana ny fikambanana Malagasy Ela Velona na ny "Maeva"... ♦ Natolotra ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramilison Harifidy teny Anosy, omaly ny masomboly fototra ahafahana mamokatra ny katsaka safiotra eto Madagasikara...
♦ Miandrandra ny hitohizan'ny fifampidinihina eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny fiarahamonim-pirenena ASD... ♦ Nametraka paikady hanafainganana ny raharaham-pitsarana ady tany, ny Minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana... ♦ Hankalaza ny faha-80 taona nijoroany amin'ity taona ity, ny Kôlejy Monseigneur Ramarosandratana, any Miarinarivo, Faritra Itasy...
♦ Nampisabo-bola mitentina 240 tapitrisa Dolara, hananganana toby famokara herinaratra vaovao any Ranomafana, ny firenena sinoa... ♦ Mitaky ny famoahana ny didy mampisambotra iraisam-pirenena ho an'ireo Tale Jeneraly roa teo aloha tao amin'ny orinasa JIRAMA, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Mikarakara fifaninana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasan'ny haino vaky jery, ny OJM sy ny fikambanan'ny mpanao gazety ara-panatanjahantena...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco