♦ Fihaonana an-tampony momba ny sakafo ho an'ny fitomboana : 811 tapitrisa ny olona tratry ny mosary eran-tany, ary maherin'ny 155 tapitrisa ny ankizy tsy mitombo ara-dalana noho ny tsy fanjarian-tsakafo. Mila fandraisana andraikitra hoy ny filoha Malagasy tany Japon, ... ♦ Tsy latsaky ny 20 ny ankizy maty vokatry ny hanoanana any Ambindamahery, kaominina Sahanalo, faritra Anôsy... ♦ Raharaha Apollo 21, mbola Paul Rafanoharana ihany no nohainoan'ny mpitsara omaly, tamin'izy 20 mianadahy voarohirohy, tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka...

♦ Nitohy androany ny raharaham-pitsarana momba ny fifofoana ny ain'ny tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena, na ny Apollo 21. Nisantatra ny fijoroana nanoloana ny mpitsara i Paul Ranoharana... ♦ Nodinihin'ny vaomeira mpanadihady momba ny ady tany, eny amin'ny Antanimieram-pirenena, ny antontantaratasy miisa dimy amin'ny roanjato voarain'izy ireo...

♦ Nitohy androany maraina eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitsaràna ilay raharaha Apollo 21. Resaka disadisa momba ny fitrandrahana solika no fototr'ity raharaha ity, raha ny fijerin'Andriamatoa Benjara Paul... ♦ Olona am-polony no efa nampidirina am-ponja noho ny fanaovana hosoka amin'ny taratasin-tany, raha ny tatitry ny ministry ny fanajariana ny tany, manamora ny fahazoana tanim-panjakàna ny ministera... ♦ Hivoaka aloha ny vola fisotroan-drononon'ny zokiolona eto Analamanga, volana desambra. Fandaminana nentin'ny Tahirim-bolam-panjakàna...

♦ Niakatra fitsarana nanomboka omaly teny Anosy, hitohy anio ilay raharaha Apollo 21, fikasàna hamono olom-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Nibahan-toerana ny famakiana ny fiampangàna ireo olona voarohirohy... ♦ Tafatsangana ny birao maharitra vaovaon'ny CENI, lany filoha Andriamatoa Dama Andrianarisedo... ♦ Hakàna hevitra amin'ny fanatanterahana ilay tetikasa Téléphérique ao an-drenivohitra ny olom-pirenena, hanomboka anio ny tombana ara-tontolo iainana hiarahana amin'iny O.N.E...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...