♦ Andalam-piforonana ho rivodoza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avatra atsinanana izy ato anatin'ny roa andro manaraka... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany ihany koa amin'ireo hambana anaty, toy ny fiovaovan'ny toetrandro, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, androany...
♦ Mety hivoatra "tempête tropicale" manomboka rahampitso ilay tangoron-drahona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hikorontana ny toetr'andro any avaratra, avaratra-atsinanana, ary afovoany atsinanana, hoy ny Météo androany... ♦ Fotoana tokony hanovàna Governemanta izao vanim-potoana mialoha fifidianana izao, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Moussa Soalihy. Nambarany fa tsy teknisiana intsony no tena ilaina ho hita taratra ao anatin'ny Governemanta fa ireo mpanao pôlitika manohana ny filoha... ♦ Tsy misy ahiana ny famatsiana PPN, na eo aza ny fitokonan'ireo mpamily amin'ny RN2, hoy ny eo anivon'ny MICC. Niaiky ny Ministera anefa, fa mety hisy fiantraikany amin'ny vidin'entana, raha ho lavareny ny fitokonana...
♦ Manambana ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan'ny nosy ireo tangoron-drahona roa ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hikambana ho iray izy ireo rahampitso alarobia ka hamorona andro ratsy hoy ny Météo... ♦ Nitokona tsy niasa omaly ireo mpamily fiarabe mpitatitra entana amin'ny lalam-pirenena faharoa. Milaza ny hampiato ny hetsika izy ire, taorian'ny omaly, ka manome 5 andro ny Fanjakàna hitondrana vahaolana... ♦ Tsy mbola misy mangirana hatramin'izao ireo fitakiana nalefan'ny SSM any amin'ny mpitondra mahefa momba ny zon'ny mpiasa. Handray fanapahan-kevitra izy ireo, raha dia ny 18 febroary izao, hisian'ny hetsika manaraka...
♦ Tombanana hikambana ka ho lasa andro ratsy ireo tangoron-drahona roa any amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, amin'ny alarobia izao... ♦ Tsy laharam-pahamehana ho an'ny fitondrana ankehitriny, ireo mpiasa raha oharina amin'ny orinasa vahiny, hoy ny Valabe Firaisan-kinan'ny Mpiasa Malagasy, na ny SSM, androany... ♦ Nifanindran-dalana tamin'ny hetsiky ny mpitondra camion tao Ankarefo, any Moramanga, androany, ny dinika fitadiavam-bahaolana taty Antananarivo Renivohitra...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco