♦ Namita ny adidiny tamin'ny Filoham-pirenena mivady, niarahaba azy ireo noho ny nahatratrarana ny taom-baovao 2023, teny Iavoloha androany, ireo Andrim-panjakana isan-tsokajiny eto Madagasikara... ♦ Hanatanterahana fampandrosoana maro lafy ny velaran-tany mirefy 13000 Ha any antampon'i Ihorombe... ♦ Miangavy ny fitondrana foibe hijery akaiky ny hamahana ny olana mampikatso ny fisokafan'ny Orinasa Base Toliara, ireo Sefo Fokontany any an-toerana, noho ny tombontsoa ambaran'izy ireo hositrahan'ny Faritra Atsimo Andrefana, amin'izany...
♦ Mitàna ny heviny hatramin'izay dia ny mba hanaovana andro tsy fiasana ny androm-pifidiana ny ONG Tolotsoa. Ny fanentanana ny olona hifidy no laharam-pahamehana hoy ity fikambanana tsy miankina ity... ♦ Mahazo laka indray ny fisolokiana asa any ivelany. Misy ny fijoroana vavolombelon'ireo lasibatra tamin'izany... ♦ Tsy foana fa nahemotra ary hiova endrika ny fifaninana handraisana mpiraki-draharaham-pitsaràna... ♦Ahitàna soritr'aretina Covid-19 avokoa ny 89% an'ireo mponina ao Henan, izay faritany fahatelo be mponina indrindra any Chine...
♦ Voafonja 266 no efa afaka nody tany amin'ny fianakaviany ho an'ny fonjan'Antinimora hatramin'ny omaly alahady. Efa nihatra nanomboka ny faran'ny heriandro teo ny didim-panjakàna mamamritra ilay fanalefahan-tsazy sy famelan-tsazy manontolo nomen'ny Filohan'ny Repoblika.... ♦ Herinandro faharoa ao anatin'ny volana janoary izay hanohizana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy eto Madagasikara ity heriandro ity. Malaina amin'ny fanohizana ny asa ny CLRE araka ny tatitra nataon'ny ONG Tolotsoa... ♦ Mihena ho 10 ireo tranga vaovao amin'ny Covid-19 nanomboka ny faran'ny taona hatramin'ny 6 janoary teo. Mbola misy 26 ireo olona tratry ny Covid-19 ary ny 4 no mbola tena manana olana lehibe eo amin'ny fahasalamana...
♦ Maika ny fanarenana ny firenena hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mbola vonona hitarika izany izy. Izay no nambarany raha niarahaba azy noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny vehivavy TIM... ♦ Mitaky fanitsiana ny karama, hifanaraka amin'ny fiakaran'ny vidm-piainana amin'izao fotoana izao ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM. Hanao hetsika fanairana izy ireo ny 15 janoary izao... ♦ Sahirana ny mponina ao Toliara noho ny tsy fisian'ny asa. Manampy trotraka ny fahatongavan'ny mpifindra monina. Miantso ny tompon'andraikitra hijery akaiky ny fomba hisokafan'ny Base Toliara ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina andrenivohitra Vita Dédé Sidison...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco