♦ Tsy maharesy lahatra ny antoko Fiombonana ny fanazavan'ny tompon'andraikitra momba ny fahasahiranan'ny any amin'ny faritra samihafa amin'ny fanjifana ny gasoil. Tombanan'izy ireo ho vokatry ny olan'ny mpandraharaha sy ny fanjakàna no antony... ♦ Kaominina 28 manodidina an'Antananarivo renivohitra sy ny boriborin-tany efatra ao an-drenivohitra no hisitraka ilay tetik'asa GUGA natomboka omaly. Famatsiam-bolan'ny AFD mitentina 5 tapitrisa Euro... ♦ Nidina ny taham-pahafahana bakalôrea ho an'ny teto amin'ny faritanin'Antananarivo tamin'ity taona ity. 41,34% izany raha toa ka nahatratra 58,48% izany tamin'ny taona lasa...
♦ Natolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy an-tanana ampahibemaso, ho an'ireo mpandraharaha 70 tany Antalaha, ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanondrana lavanila... ♦ Handefa taratasy any amin'ny Masoivoho Britanika, hangataka ny hanokafana fanadihadiana momba ilay vola 25 tapitrisa doalara, nanaovan'ny Tale Jeneralin'ny APMF fifanarahana momba ny AIS, niaraka tamin'ny orinasa britanika iray, ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF... ♦ Niakatra ho 160 tapitrisa ny ankizy efa miasa eran-tany tamin'ny taona 2020, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF sy ny OIT. Aty Afrika ny ankamaroany...
♦ Efa niharan'ny sakan-dalana nataon'ny dahalo tao antampon'Ihorombe ireo mpizaika avy any Ambovombe Androy, nialohan'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tany Ikelivaho... ♦ Miverina indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. Nisy hatrany ny fanafihana isan-kalina tao anatin'ny herinandro... ♦ Ny fanovana ny lalana mifehy ny antoko pôlitika sy ny fanaovana pôlitika ihany no ahafahana misoroka ny krizy ateraky ny fifidianana, hoy ny Solombavam-bahoaka teo aloha, ny Dr. Andriambololona Barson Claude...
♦ Mpamilin'ny solontenan'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO any Paris, fa tsy olona eto Madagasikara no naka ny sarin'ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filohan'ny Repoblika. Enjehina noho ny fanohintohinana ny ain'ny Filoha sy ny fianakaviany izy... ♦ Mbola manamafy ny antsony mba hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto Madagasikara, mialoha ny handaozany an'i Madagasikara amin'ny alatsinainy izao... ♦ Omen'ny CENI alalana malalaka hanao fitsirihana ny lisitry ny mpifidy, ireo herivelona rehetra eto amin'ny firenena...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco