♦ Misasaka ny fe-potoana hanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ho an'ny fifidianana amin'ny taona ho avy. Lasa nampanahirana ny CENI ny tsy nisian'ny fikaonandoham-pirenena, nialohan'ny nanatanterahana izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Voavolavola ny drafitra stratejika ankapobeny ho fanaraha-maso ny asa eto Madagasikara. Nampahafantarina omaly izany drafitra izany, ho fanatsaràna ny aro loza sy fitandremam-pahasalamana eny anivon'ny toeram-piasàna... ♦ Olona miisa 6, no maty nilatsaham-potaka tany Tsiafabositra Maevantanàna omaly. Andro vao maraina ny nisian'izao fipoahan'ny varatra izao, narahin'ny rotsak'orana sy kotroka...
♦ Manaitra ny fitondram-panjakana ny Evekan'i Morondava, nanoloana ny zava-nitranga tato ho ato. Zava-doza ny misy any amin'ny Faritra Menabe, hoy izy, mihalalina ny haratsiana, noho ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Hangataka fahafahana vonjimaika ho an-dRaissa Razaivola, ilay renim-pianakaviana nohampangaina ho nikasa hifofo aina solombavambahoaka ny mpisolovava azy. Nanazava ny momba ity raharaha ity omaly, io mpisolovava azy io... ♦ Maro ireo mitaraina fa niakatra be ny hetran-trano ao an-drenivohitra takian'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Fampiakarana misy hatrany amin'ny 100% noho ny teo aloha, raha araka ny fitarainan'ireo tompon-trano nahazo izany taratasy fitakian-ketra izany...
♦ Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana ny Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana... ♦ Mbola goavana ny fanarenana ny Air Madagascar, satria misedra fahasahiranana tanteraka ity Kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity... ♦ Nodinihana nandritra ny fivoriana itambarambe teny Tsimbazaza ny tolo-dalana handrindrana ny sata hifehy ireo mpankanto...
♦ Nilatsaham-potaka ny fiangonana katôlika Mahatsinjokely, distrikan'i Bemahatazana, diôsezin'i Tsiroanomandidy ny alin'ny sabotsy. Miisa roa no namoy ny ainy teo noho eo, 30 kosa ireo naratra... ♦ Miazakazaka ny fitombon'ny isan'ny mponina mipetraka amin'ny toeram-ponenana tsy zarizary ho an'ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ho an'Antananarivo renivohitra, mandray olona vaovao tonga manoro-ponenana manodidina ny iray hetsy isan-taona ; ny ankamaroan'izy ireo saika mamonjy ny toeram-ponenana tsy zarizary avokoa... ♦ Mbola tsy ampy ny isan'ny injeniera eto Madagasikara. Miisa 15 000 izy ireo, 40 000 isa mahery anefa ny filàna afaka folo taona...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco