♦ Am-polony isan'andro ny mpiasam-panjaka tonga eny Anosy milaza manana olana amin'ny tambikarama : Fanadihadiana momba ny olana amin'ny tambikarama tokony ho sitrahan'ireo mpiasam-panjakana rehefa handeha hisotro ronono... ♦ Misy ankehitriny ireo olona maty vokatry ny tsy fahampian-tsakafo any amin'ny distrikan'i Ikongo. Mbola mitoetra mandrak'ankehitriny ny takaitran'ny rivo-doza nandalo tany an-toerana... ♦ Miisa enina ireo olona efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana voasaringotra amin'ny fanapohana solika tany Antanandava-Toamasina... ♦ Hafenina anio alatsinainy ny nofo mangatsiakan'ny Mpanjakavavy Elizabeta faharoa...
♦ Niharan'ny fisavana fanintelony indray ny tranon'Andriamatoa Rajaonah Mbola teny Ambohimahitsy, omaly alahady. Naharitra adiny efatra ny fisavana, hoy ny Me Rafidison Eric... ♦ Mazava ny andraikitry ny fiangonana, hoy ny FFKM nandritra ilay fiombonam-bavaka notanterahina teny amin'ny Ekar Md Misely Amparibe. Mbola misy anefa ireo mpanao politika miandrandra ny ho fandraisana andraikitry ny FFKM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Baolina kitra aty Afrika, nifarana ny dian'ny ekipan'ny CFFA Andoharanofotsy, raha mbola afaka hanohy ny dingana manaraka ny ElgecoPlus...
♦ Nitsipaka ny fikasàn'ny FFKM hitarika ny fifampidinihin'ireo mpisehatra politika, manoloana ny raharaham-pirenena ny fitondrana. Nanamafy izany fandavana izany ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Nihena ny isan'ny mpianatra eny amin'ireo sekoly miahy tena tamin'ity taom-pianarana vaovao ity, hoy ny Federasiôn'ny sekoly tsy miankina. Maro tamin'ireo ray aman-dreny no namindra ny zanany eny amin'ny sekolim-panjakàna, noho ny olana ara-bola... ♦ Samy hiatrika lalao amin'izao faran'ny herinandro izao ireo klioba misoloten antsika amin'ny fifaninana afrikàna isan-tarika eo amin'ny baoina kitra. Hanafika any Eswatini anio tolak'andro ny CFFA, handray an'i PWD de Bamenda eny Mahamasina kosa rahampitso ny ElgecoPlus...
♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika fanaovana kôpia hisitrahana kara-panondrom-pirenena faobe ny sendikàan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna. Nanao fanambaràna nilaza izany izy ireo, omaly... ♦ Hovatsian'ny Banky afrikàna momba ny fampandrosoana vola 1,4 tapitrisa dôlara ireo orinasa madinika sy salan-tsalany eto Madagasikara. Orinasa 300 isa no hisitraka izany anatin'ny tetik'asa SME-BLP... ♦ Hiara-hiasa amin'ireo orinasa manana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ka mihoatra amin'ny ilainy ny Jirama manomboka izao. Hovidian'ity orinasam-panjakàna ity izany, anatin'ny fampiharana ny tarif "optima Busness"...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco