♦ Hisondrotra 40.000 Ariary ny tambin-karaman'ny sefo fokontany manerana ny nosy araka ny voafaritra ao amin'ny volavolan-dalàna fanitsiana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2022... ♦ Mbola voafidy hitarika ny sendikan'ny mpiasan'ny fadin-tseranana na ny Sempidou indray Andriamatoa Herizo Andrianavalona... ♦ Nitory sefo ZAP miisa roa any amin'ny Cisco Soavinandriana ny solombavambahoaka Razaiarimanana Fiainantsoa noho ny fanosoram-potaka azy momba ny fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna... ♦ Lasibatry ny zera baomban'ny Rosianina ny toby fanangonan-tsakafo miisa roa tany Ukraine...

♦ Nanolotra ny votoatin'ny fanitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2022 teny amin'ny antenimieram-pirenena ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbola Rabarinirinason... ♦ Ny fitrandrahana an'i Tsimiroro ihany hoy ny antoko otrik'afo  no vahaolana ahafahana miatrika ny olan'ny angovo ankehitriny... ♦ Mbola maty antoka ny mpitatitra na dia hiakatra 1.000 Ariary aza ny saran-dalana hoy ny filohan'ny koperativa iray ao an-drenivohitra... ♦ Farafahakeliny 1.000 no maty tany atsinanan'i Afganhistan vokatry ny horohoron-tany nitranga omaly alina...

♦ Hiverina ny fanondranana volamena any ivelany, hihena ny hetra alaina amin'ny solika. Ireo no anisan'ny ahitsy amin'ny teti-bolam-panjakana 2022, nampahafantarina ireo Solombavam-bahoaka, teny Tsimbazaza androany... ♦ Mbola mahatsiaro ho maty antoka ireo mpitatitra, na efa hiakatra ho 1.000 Ariary aza ny saran-dalana ao an-drenivohitra, amin'ny volana jolay. Fitazonana aina tsy hahafaty ny asam-pitaterana ny vahoaka no mbola hiasana, hoy izy ireo... ♦ Olona valo indray no tra-tehaky ny Zadarimariam-pirenena, saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte, tany Nosy Be Hell Ville...

♦ Hisy andrana hatao ato ho ato amin'ny fampiasana an'i Bemolanga sy Tsimiroro, andrana hanaovana lalana 1km, hampiasana menaka mavesatra... ♦ Nohavaozina ny mpikambana anatin'ny CNV na ny filan-kevi-pirenena momba ny lavanila eto Madagasikara mba handrindrana sy hanesorana ny gaboraraka ao amin'ity sehatra ity... ♦ Anatin'ny fanamarihan'ny foloalindahy ny faha-62 taonany, sy ny faha-62 taona niverenan'ny fahaleovan-tena dia nanomboka omaly ny kermesin'ny mpitandro ny filaminana, izay tanterahina eny amin'ny Kianja Betongolo...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...