♦ Miverina manomboka androany 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sarobidy any ivelany, araka ny fampahafantarana nataon'ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny Minisiteran'ny Mponina, raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny Ministra Princia Soafilira, tamin'ilay raharaha fanapohana solika ; ary manana hatramin'ny rahampitso ilay gazety nilaza izany mba hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana maherin'ny arivo, any amin'ny Distrikan'Andilamena, no nisitraka vary tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakana...
♦ Tokony hanaiky hiditra amin'ny fikaonandoham-pirenena ny fitondrana, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface. Nambaran'ity mpanao politika ity fa mila fanorenana ifotony ny Lalam-panorenana sy ny rafi-panjakàna i Madagasikara, raha ny zava-misy amin'izao... ♦ Hikaroka fanafody hitsaboana ny homamiadana sy ny tosi-drà ny IMRa. Eo amin'ny telo taona eo farafahakeliny no fotoana ilain'ity ivo-toerana ity amin'ny fikarohana izany fanafody izany... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena ny Barea U-23 manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao. Lalao mandroso sy miverina, hifanandrinana amin'i Seychelles ho an'ny fifanitsanana CAN 2023 eo amin'io sokajin-taona io...
♦ Efa nandray fitenenana tany New York momba ny fanavaozana ny fanabeazana omaly hariva ny filoham-pirenena malagasy. Kabary nataony tafiditra sahady amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana nanomboka omaly... ♦ Namoaka fanambaràna ireo mitonona ho mpîkambana maro an'isa eo anivon'ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF. Efa nitory ny tale jeneralin'io sampan-draharaha io anefa ny sendikà ankilany, ka namoaka IST ho azy ny PAC... ♦ Manome 72 ora ny fitondrana foibe, hitady vahaolana amin'ny tsy fandriam-pahalemana sy ny delestazy any amin'ny Faritra Menabe ny Revolution Manabe. Nanao fambarana miantefa any amin'ny filoham-pirenena ity fikambanana ity, omaly...
♦ Hanomboka anio any New-York ny fivoriambe faha-77 an'ny Firenena Mikambana. Isan'ny ivon'izany ny fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana maneran-tany... ♦ Nisokatra ôfisialy androany ny fifanarahana ara-barotra andiany faha-9 eo amin'ny Vondrona Eorôpeanina sy ireo firenena dimy ka isan'izany i Madagasikara... ♦ Nampahafantatra androany ireo mpikambana maro an'isa anatin'ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF, fa efa lany daty androany ny fe-potoam-piasan'ny birao teo aloha, ka tsy tokony hampiasa ny anaran'ny sendika intsony izy...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco