♦ Nitsidika sampan-draharaha telo lehibe indray ireo Evekan'i Madagasikara androany, andro fahatelo hatanterahan'izy ireo ny Visite Ad Limina... ♦ Hiverina hiasa manomboka amin'ny alarobia ho avy izao ny mpirakidraharaham-pitsarana. Nampanantena ny hamaha ny fitakian'izy ireo ao anatin'ny telo volana ny minisitera mpiahy azy ireo... ♦ Hametraka fandaharan'asa hanome sakafo ireo olona tena sahirana ao amin'ny Distrikan'i Betroka, ny Governemanta sy ny BNGRC. Ato ho ato hanaovana izany, hoy ny Solombavam-bahoaka Nicolas Randrianasolo...
♦ Naratra vokatry ny savorovoro nitranga ao Vohibolo, Distrika Vohipeno ny Loholona teo aloha ny Kôlônely Botomanovatsara. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny Emmoreg... ♦ Tsy mety hifarana hatramin'izao ny momba ilay horonam-peo niparitaka maneho fikasana handatsak'aina olona maromaro tao amin'ny Faritra Menabe. Tonga eto Antananarivo renivohitra mihaona amin'ireo tompon'andraikitry ny filaminana isan-tsokajiny ireo lasibatr'izany... ♦ Ravan'ny afo tsy nisy niangana ny tanàna iray any Ikongo, araka ny tatitry ny solombavambahoaka...
♦ Ny tsy fandriampahalemana sy ny fifindra-monina aty Madagasikara. Anisan'ny voaresaka ireo nandritra ny andro faharoa amin'ny Visite ad Limina ataon'ireo Evekan'i Madagasikara any Roma... ♦ Tsy manana olana amin'ny fifandraisana ara-diplomasia amin'ireo firenena any ivelany i Madagasikara, hoy ny Ministra mpisolo toerana eo anivon'ny raharaham-bahiny malagasy, izay nandray ny asany nanomboka omaly... ♦ Manaitra ny malagasy tsy an-kanavaka sy ny mpitondra fanjakàna ary ireo rehetra mpisehatra amin'ny tontolo iainana, tao anatin'ny fanambarana, ny fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana ny AJE...
♦ Nitsidika sampan-draharaha lehibe miisa roa tao Vatican ny Evekan'i Madagasikara, androany. Andro faharoa hanatanterahan'izy ireo ny Visite Ad Limina any Rôma... ♦ Tontosa androany teny amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ny famindram-pitantanana teo amin'Andriamatoa Randriamandranto Richard sy ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Manaitra ny Malagasy tsy an-kanavaka, ny mpitondra fanjakana, ny mpisehatra isan-karazny amin'ny tontolo iainana, ny fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana mba handray fepetra mahomby manoloana ny figongatry ny doro ala...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco