♦ Manoso-kevitra ny hanafoanana na hanovàna ny lalàna mifehy ny HCJ, ilay fitsarana mitsara ireo mpitondra ambony, Ramatoa Sahondra Rabenarivo. Nambarany fa lasa fitsarana politika no misy eo anivon'ity fitsarana ambony ity... ♦ Niakatra ho 35% ny tahan'ireo very asa hatramin'ny nisian'ny valan'aretina Covid19 teto Madagasikara. Hizara fiofanana handrisihana ireo tanora nahavita fianarana sy very asa ny All-Com-Event ny faran'ny volana avrily izao... ♦ Mikasa ny hampiantrano ny "Mondial" eo amin'ny taranja "rugby" ho an'ny latsaky ny 20 taona i Madagasikara. Anisan'ireo firenena nametraka fangatahana handray izany isika, hoy ny filohan'ny federasiôna...
♦ Niantso ny filohan'ny Antenimieran-doholona hanaja ny fisaraham-pahefana ny SMM. Nanao fanambarana ny SMM fa talanjona tamin'ny nilazàny fa hampiantso ny Bianco sy ny PAC, momba ireo ben'ny tanàna notazomina am-ponja... ♦ Vola 111 miliara Ariary eo ho eo nogiazana, noho izy ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nilaza ny CSI fa tsy azo ampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana ireo vola ireo, raha tsy tafapetraka tsara ireo rafitra miady amin'ny kolikoly... ♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana manoloana ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany izay nampitaraina ireo fiaraha-monim-pirenena. Haverina hodinihina eny amin'ny Antanimieram-pirenena indray izy io manomboka izao...
♦ Nahazo ranom-panafody famonoana valala 40.000 litatra avy amin'ny Fanjakana Marôkanina i Madagasikara. Fiaraha-miasa tamin'ny FAO ny fitaterana izany... ♦ Mangataka ny tsy hanaovana saorona ny zana-bahoaka amin'ny fanaovana Oniversite Maty ny fikambanan'ny tanora avara-pianarana na ny FITAMA. MItaky fifampidinihana eo amin'ny Fanjakana sy ny Seces izy ireo... ♦ Miantso ireo mpitantana ao amin'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra tsy hamotika ny ho avin'ny baolina kitra eto Madagasikara ny malagasy teknisianina mahay sy zatra ity taranja ity...
♦ Velaran-tany mirefy 140.000 hekitara no hofendrahana fanafody famonoana valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Ranom-panafody mifatra 40.000 litatra hiadiana amin'ny andiam-balala no noraisina tamin'ny fomba ofisialy teo Ivato androany... ♦ Noraisin'ny Bianco, hanaovana fanadihadiana lalina, ny fitorian'ny Randrana Sendikaly momba ilay raharaha fivoahan'ny volabe teo anivon'ny CNaPS...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco