♦ Tafakatra ho 48 ankehitriny ireo olona fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny rotsak'orana nisesy, farany teo... ♦ Miverina mianatra ny mpianatra amin'ny alatsinainy izao, ary nanome toromarika ny hanamboarana haingana ireo sekoly simba ny Filoha nandritra ny filankevitry ny Minisitra... ♦ Hiala nenina farany hatramin'ny alatsinainy izao ny Federasiona Malagasin'ny Baolina lavalava mba hidiran'ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ny lisitra faoben'ny baolina lavalava malagasy...
♦ Mahatsapa tsindry ataon'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana amin'ny asam-pitsarana ireo mpitsara. Nasongadin'ny Filoha vaovaon'ny Sendikan'ny Mpitsara izany, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, androany... ♦ Mimenomenona ny Sendikan'ny Polisy, SEFPONAM, manoloana ny nampiasana ireo Polisy sasany hanala tsikafona sy nisokitra tatatra tao an-drenivohitra, farany teo. Nilaza ho naharay fitarainana maro avy amin'ny Polisy nandray anjara tamin'izany ity sendika ity...
♦ Miisa 5 ireo traboina teto an-drenivohitra no voamarina fa mitondra ny tsimok'aaretina Coronavirus. Efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ireo... ♦ Vita ny asa fametrahana ny toby famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano ao Farahantsana Mahitsy. Hanomboka tsy ho ela ny andrana ara-teknika hampiodinana izany toby vaovao izany... ♦ Manara-maso akaiky momba ny hetra aloa amin'ny trano ao an-drenivohitra ny vaomiera misahana ny fanjakàna tsara tantana ao amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra manoloana ny fitarainana samihafa...
♦ Misokatra ho an'ny fiarabe mpitatitra entana ny lalam-pirenena faharoa. Vita omaly ny tetezam-by ao Ambarolava-Moramanga, nijery ny asa ny filohan'ny Repoblika... ♦ Tafiakatra 41 ny isan'ny maty teto amintsika nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy farany teo. Mbola mitoetra ho an'ny lemak'Antananarivo ny filazana loza mitatao... ♦ Natsahatry ny zandary ny fampiofanana ao amin'ny sekoly ambonin'ny Zandarimaria ao Moramanga, nalefa nanampy ny vahoaka ny mpianatra...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco