♦ Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hanampy ireo tra-boina rehetra ny fitondram-panjakana. Nijery ny zava-misy teny amin'ny Distrik'Antananarivo Atsimondrano izy androany... ♦ Ampy mandritra ny tapa-bolana mahery ny tahirin-tsolika etyo an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Nanazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Tale Jeneralin'ny OMH... ♦ Nodimandry androany i Maître Willy Razafinjatovo na i Maître Olala...

♦ Hihamaina amin'izay ny andro manomboka rahampitso amin'ireo toerana nisian'ny oram-be, raha ny nambaran'ny Météo. Hihena tsikelikely ihany koa ny rotsak'orana na dia mbola hanorana àry ny faritra maro anio... ♦ Niala tsiny tamin'ireo mpandraharaha tsy miankina ny Foibe Fitantanana ny Hetra, manoloana ilay taratasy milaza ny fanitsiana ara-ketra nivoaka. Diso, hoy ny Tale Jeneraly, ny filazana fa hamenoana ny banga amin'ny volam-panjakana ilay filazana fanitsiana ara-ketra ankehitriny...

♦ Hiverina anio alina ny fifamoivoizana any amin'ny lalam-pirenena faharoa... ♦ Miantso ny rehetra mba ho tony manoloana ny famatsiana solika ny Praminisitra Ntsay Christian... ♦ Miisa 36.657 ireo olona voatery nafindra toerana vokatry ny andro ratsy, ary tafakatra 35 ireo manty, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC farany... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity izay ho Filoham-pirenena vaovao any Italie...

♦ Mitombo ny haavon'ny reniranon'Ikopa sy i Sisaony ary i Mamba, tao aorian'ny filazana loza mitatao omaly. Miantso ny mponina amin'ny Kaominina andalalovan'ireo renirano telo ireo ny tompon'andraikitra, hitandrina ary hiala amin'izany toerana izany... ♦ Mitaky ny hanohizana ny tetik'asa Base Toliara ny fiaraha-monim-pirenena ivondronan'ireo ray aman-dreny any Toliara... ♦ Tokony hapetraka eto Madagasikara ny fahefa-mividy manara-penitra, hoy ny mpahay toe-karena Rakotoson D...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...