♦ Nitombo ho maherin'ny arivo sy iray hetsy ireo olona tra-boina, vokatry ny faharatsian'ny toetr'andro teto amintsika farany teo. Nijanona ho 39 kosa hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy, araka ny tarehimarika farany navoakan'ny BNGRC... ♦ Efa azon'ireo fiarabe mpitondra entana aleha ny lalam-pirenena faharoa alohan'ny hidirana an'i Moramanga nanomboka androany. Nijery ny fahavitan'ny asa tany an-toerana ny Filoham-pirenena...
♦ Tafakatra 39 ny isan'ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny faharatsian'ny toetrandro, raha ny tarehimarika farany voaray omaly hariva... ♦ Afaka manome fanampiana ny tra-boina ary entanina hanao izany ireo mpitantana orinasa na indostria eto Madagasikara. Eny amin'ny MICC no handraisana izany.... ♦ Hizara pack, misy vatsy, eny amin'ireo faritra iva, ny fikambanana fitia, manomboka anio alarobia, ankoatra ny fizarana sakafo mafana andro aman'alina...
♦ Ampy tsara ny tahirin-tsolika eto an-drenivohitra sy ny manodidina, tsy tokony hanana ahiahy noho izany ny mpanjifa... ♦ Hiverina hibaliaka ny masoandro manomboka anio. Ahitana fihenana ny rotsak'orana, saika manerana ny Nosy... ♦ Ankoatry ny fanampiana amin'ny hamehana vokatry ny voina mahazo ireo traboina eny Tanjombato, dia ho ampian'ny fitondram-panjakàna koa izy ireo amin'ny fambolena sy ny fihariany izay potika tanteraka...
♦ Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hanampy ireo tra-boina rehetra ny fitondram-panjakana. Nijery ny zava-misy teny amin'ny Distrik'Antananarivo Atsimondrano izy androany... ♦ Ampy mandritra ny tapa-bolana mahery ny tahirin-tsolika etyo an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Nanazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Tale Jeneralin'ny OMH... ♦ Nodimandry androany i Maître Willy Razafinjatovo na i Maître Olala...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco