♦ Tsy hihemotra amin'ny fitokonana izay ho tanterahiny manomboka rahampitso ny sendikàn'ny mpiasan'ny fadintseranana na ny Sempidou... ♦ Tsy ho afa-bela ireo mpiasam-panjakàna sy ireo olom-boatendry miray tendro amin'ireo mpandroba harem-pirenena an-tsokosoko... ♦ Efa miteraka ady hevitra be eo amin'ireo samy solombavambahoaka sahady ny momba ilay tolo-dalana ITG...
♦ Tratehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny teratany Sri-lankais izay nikasa hanondrana an-tsokosoko vato sarobidy... ♦ Handalo fitsaràna anio eny anivon'ny filan-kevi-panjakàna Anosy ny fitoriana izay napetraky ny "cellule de crise" ivondronan''ireo mpanao gazety nandà ny fifidianana birao vaovao maharitry ny OJM... ♦ Miantso ny mpitondra mahefa handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny Evekan'ny Diôsezy Morondava...
♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra mahefa, hijery vahaolana maharitra momba ny tsy fandriam-pahalemana any amin'ny Faritri'i Menabe, ny evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakana mpanao lalana. Samy nanome lanja ny asa vitan'ny fahefana mpanatanteraka ny filohany ; niombonana kosa ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro...
♦ Isaky ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra no fanatanterahana ny fanombohana ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny parlemantera eto Madagasikara. Manomboka izao antoandro izao ny eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Andro faharoa amin'ny fikaonandoha iraisam-pirenena ho an'ny fitsarana sy ny tontolo iainana, anio, izay karakarain'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakàna malagasy... ♦ Ampahafantarina ireo mpitsara eto Madagasikara ny foto-kevitra sy ny zo fototra mahakasika ny asa, ny aro loza sy fahasalamana eny anivon'ny asa, ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco