♦ Namoy ny ainy ilay zaza 8 taona, isan'ireo sivily 6, naratra tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambatobe, omaly tolakandro. Mandray an-tanana feno ny fikarakarana ny razana sy ireo marary mbola manaraka fitsaboana ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanao Sit-in teo anoloan'ny fitsarana Anosy, ny fianankavian'ilay teratany sinoa antsoina hoe Kevin Yang, maty noho ny lozam-pifamoivoizana tetsy Mandrosoa ny 23 septambra lasa teo... ♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo parlemantera eto Madagasikara...

♦ Tsy tana ny ain'ilay zaza valo taona, iray tamin'ireo sivily enina naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana teny Ambatobe... ♦ Efa tomombana ny fandraisana ny fivoriana ara-potoan'ireo Solombavam-bahoaka, izay hanomboka rahampitso... ♦ Tsy ahitana henan'omby any amin'ny tsenan'i Mananjary, efa ho efatra andro izao...

♦ Notanterahina tamin'ny sabotsy ny Eokaristia Masina nanombohana ôfisialy ny taom-pianarana 2021-2022 ho an'ny sekoly katôlika, natao teny amin'ny Esca Antanimena... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fahantrana lalina ny fikambanana ATD quart Monde ny sabotsy teo. Loha-hevitra nanamarihana izany ny hoe : ankizy mahomby amin'ny fianarana antoka iadiana amin'ny fahantrana lalina, indrindra ny vehivavy... ♦ Mbola hisy omby vavy an'arivony no hafaran'ny fanjakàna mba ahafahana mameno izay vokatra ronono tsy ampy eto Madagasikara...

♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly alahadyny fankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny misiona sy ny fanokafana ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina ny taona 2021 hatramin'ny 2023... ♦ Niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny fiara "blindé", izay mamarana ny "cortège" miara-dia amin'ny filoham-pirenena omaly tolak'andro tokony ho tamin'ny 3 ora teny Ambatobe. Tsy nisy ny aina nafoy, fa olona 10no naratra... ♦ Vita ny fanavaozana ny toeram-pialamboly sy fitsangatsanganana eny Analamanga Park, kaominina Ambalavao, distrika Antananarivo-Atsimondrano, ny Faritra no niantsoroka ny lany rehetra...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...