♦ Miroso amin'ny fampianarana amin'ny alalan'ny teknolojia nomerika vaovao ny sekoly ambony tsy miankina ESDES... ♦ HIverina handray ny fandaniana jiro amin'ny kaontera isan-tokantrano ny Jirama... ♦ Velon-taraina amin'ny fanaparam-pahefana ataon'ny tompon'andraikitry ny orinasa sinoa iray any Mitsinjo ny solombavambahoaka avy any amin'ity distrika ity...

♦ Tanterahana anio ny fifidianana ireo birao vaovao maharitry ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Hivory handinika ny fananganana ilay rafitra mahaleo tena hiarovana ny asa fanaovan-gazety ireo tsy miombon-kevitra amin'ity fifidianana ity... ♦ Ho maimaimpoana avokoa manomboka izao ny fandraisana voalohany amin'ny vonjy voina eny anivon'ny hôpitalim-panjakàna manerana ny nosy, vita sonia omaly ny fametrahana tahiry ahafahana miroso amin'izany...

♦ Notanterahina androan'ny fanaovam-beloma farany an'i Masera Soszynska Krystyna, FMA, misonera salezianina polonaise, niasa teto Madagasikara... ♦ Ho maimaim-poana avokoa manomboka izao ny fandraisana an-tanana voalohany amin'ny vonjy voina, eny anivon'ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy. Natao sonia teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany, ny fametrahana ny tahiry hahafahana manao izany...

♦ Nolavin'ny RMDM ny fanasana azy ireo hiady hevitra miaraka amin'ny TRMDM, ao amin'ny TVM, anio zoma. Notakiany ny hisokafan'ny adihevitra amin'ny mpitondra... ♦ Takian'ny GARDUC ny fampitsaharana ny fampiharana ny Tarif Optima. Nankasitrahany koa ny fanalana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Mitohy ny famotorana sy ny fanadihadiana momba ilay famakiana banky tany Andohan'Ilakaka. Nohenoina ny tompon'andraikitry ny banky vaky...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...