♦ Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katôlika. Nisongadina izany nandritra ny fiofanana, sy fivoriana tsy ara-potoanan'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky eo anivon'ny Fiangonana Katôlika... ♦ Naiditra am-ponja eny Antanimora i Rinah Rakotomanga, sy ilay sakaizany Jerry noho ilay raharaha kolikoly tao amin'ny Madagascar Airlines... ♦ Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny Fanjakàna vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitry ny BIANCO, omaly... ♦ Nirongatra be ny fakàna ankeriny ataon'ny JIHADISTE amin'n teratany vahiny any MALI tamin'ity taona ity...
• Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katolika. Nisongadina izany nandritra ny fanokafana ny fiofanana, sady fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky, eo anivon'ny Eglizy Katolika... • Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny fanjakana, vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitra nataon'ny BIANCO androany... • Navotsotra androany, ary eo ambany fanarahamason'ny Fitsarana, ny Filohan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny JIRAMA SMJ, Ratovomanarivo Anmora...
• Namoaka hafatra momba ny fiainam-pirenena ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivoriana fanao isan-taona natrehan'izy ireo... • Niakatra Fampanoavana androany tolakandro teny amin'ny PC 67 ha, ireo nohadiadian'ny BIACO, momba ny raharaha 11 miliara tao amin'ny CNaPS. Isan'ireny ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Mafampana ny toe-draharaha eo anivon'ny MAMA. Nampiantso fivoriana maika ny sendikan'ireo mpitatitra manerana an'i Madagasikara, momba ny fitantanana eo anivon'ity trano fiantohana ity...
♦ Tsy resaka valifaty pôlitika no nataon'ny fitondrana ankehitriny fa ady amin'ny tsy maty manota, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra eny amin'ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly (PAC), anio tolakandro, ny Ben'ny tanàna Antananarivo renivohitra, Herilala Ramananttsoa... ♦ Tsy ho tanteraka ny fanorenana ifotony na ny fanovan-drafitra eto Madagasikara, raha toa ka tsy miainga avy any ifotony ny fanovana hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Audience générale : tsy misy tsara indrindra noho ny fiadanana ka ho kolointsika izany hoy ny Papa Léon-XIV...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco