• Omena fiofanana eny Nanisana mba ho matihanina kokoa momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fisorohana ny loza, ireo mpamily fiara sy moto miisa 120 eo anivon'ny SMA...
  • Voafetry ny lalàna ny andraikitry ny Fitsaràna misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakàna, momba ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina...
  • Efa miantraika lalina eto Madagasikara ny fiovan'ny toetr'andro, ateraky ny fanimbana ny tontolo iainana toy ny : doro-tanety sy ny doro ala...
  • Tsy mankasitraka ny fandroahana foabe ireo mpifindra-monina antsokosoko any Etazonia ny Arsevekan'i Chicago Blaise Cupich...

  • Tsy maintsy hisy fiatraikany aty Madagasikara ny pôlitikan'ny filoha amerikanina, Donald Trump amin'izao fandraisany ny fahefana izao, hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza...
  • Tokonyho lasan'ny mpanohitra ny Birao Maharitry ny Filan-kevitra Monisipaly eo anivon'ny Kaominina Antananarivo hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay. Manana mpanolontsain'ny tanàna 30 farafahakeliny ny fanoherana hatramin'izao...
  • Sarotra ny mety hidinan'ny vidim-pianana manoloana ny fihenan'ny vidin-tsolika. Paik'ady hampitoniana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena fotsiny io fepetra io hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Didim-panjakana maromaro no nosoniavin'ny filoha amerikanina Donald Trump, taorian'ny fihanianany omaly. Nofoanany ny didim-panjakàna manome vahana ny fiarahan'ny olona mitovy fananahana...

  • Hotanterahina any Morondava amin'ny volana aogositra izao ny andro nasiônalin'ny olon-dehibe andiany faharoa. Misy ny hafatra avy amin'ny CEPAL...
  • Nahazo fankasitrahana ara-bola ireo mpiasan'ny fadintseranana nahatratra ireo volamena saika ahondrana any ivelany ny volana desambra teo. Nisy nahazo vola maherin'ny 97.000.000 Ariary izy ireo...
  • Tsy misy fiantraikany hidinan'ny vidim-piainana eto Madagasikara ny fihenàn'ny vidin-tsolika hoy ny mpahay toe-karena sy mpandinika fiaraha-monina iray...
  • Nihaniana amin'ny maha filoham-panjakàna amerikanina faha-47 azy omaly, Andriamatoa Donald Trump. Fanovàna maro no nambarany fa ho entiny, hampatanjaka indray an'i Etazonia...

  • Manentana ny olon-dehibe handray anjara amin'ny andro nasiônalin'ny olon-dehibe andiany faharoa hatao any Morondava amin'ity taona ity ny filohan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny asa fanirahana ataon'ny Laika Mgr Fidelis Rakotonarivo...
  • Mila midina any amin'ny antsasany ny vidin-tsolika ary marin-toerana vao misy akony amin'ny vidin'entana ilain'ny mponina an-davan'andro izany hoy ny mpahay toe-karena Ratsietison Jean Jacques...
  • Tsy hihemotra fa hanohy ny fivoriana hamoriana ny mpanao pôlitika mitovy hevitra aminy ny HPM hoy ny filohany Ralison Roger. Mitanila amin'ny fampiharana ny fepetra ny Fanjakàna araka ny Fanazavany...
  • Mety hiverina indray ny tafio-drivotra mafy any Los Angeles hoy ny mpamonjy voina ka mety hampihanaka ny afo indray. Mety hatratra hatrany amin'ny 130km/h

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...