♦ Mpanao politika sady olom-boafidy fahatelo voasambotra tao anatin'izao hetsika fitakiana ny jiro izao ny solombavambahoaka an'Arivonimamo Rajerison Antoine... ♦ Zo fototra arovan'ny Lalàm-panorenana ny fisitrahana rano fisotro madio sy angovo ahafahana mihary, ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fisitrahana ny fiarovana ny aina sy ny fananana avy amin'ny mpitandro filaminana hoy ny fanambaran'ny sendika SECES... ♦ Manambana ny hanao fitokonana ny sendika TRIADE ka manome 48 ora hamalina ireo fitakiny amin'ny hialan'ny Ministry ny Fahasalambahoaka... ♦ Manao hetsi-pitakiana ny tanora any Maroc entina hanatsarana rafi-pampianarana sy fahasalamana...

♦ Niaiky amin'ny fisian'ny fahatarana amin'ny fandraisana andraikitra ny filoha Andry Rajoelina, izay efa eto an-tanindrazana nanomboka ny sabotsy 17 septambra teo... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famerenana ny fampianarana ireo sekoly amin'ity alatsinainy 29 septambra 2025 ity... ♦ Mbola hanamafy  ny hetsika maity anio alatsinainy 29 septambra 2025, ireo tanora indray mihira "Z" (Gen Z)... ♦ Mampitovy tadindokanga ireo kandida filoham-pirenena avy amin'ny hery fanoherana any Cameroune...

♦ Handray fepetra entitra ho famerenana ny filaminam-bahoaka ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin'ny EMMONAT. Ambenana manokana ireo toerana saropady isorohana ny fandrobana... ♦ Miantso ny hisian'ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny FJKM teo aloha ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Sesilany ireo fanambarana manameloka ny fandrobana sy ny fanakorontanana niseho tamin'ny tanan-dehibe maro manerana ny nosy tao anatin'ny roa andro izay...

♦ Nambaran'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina fa tetika pôlitika efa voahomana iny hetska "Leo delesatazy" izay nivadika fanakorontanana sy fandrobàna iny ; noesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Angovo, Jean Baptiste Olivier... ♦ Nodimandry omaly zoma ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky-Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Voahosin'ny camion teny Andoharanofotsy ny tenany, raha nandeha nijery ny zava-nisy tamin'ny hetsika "Leo delestazy" ny alakamisy hariva teo... ♦ Namoaka fanambaràna ny fivondronamben'ny Eveka sy ny FFKM, manoloana ny hetsika nitarika korontana nahafatessana olona sy nahasimbàna zavatra maro...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...