♦ Nampahafantarin'ny FFKM omaly ny tetiandro voalahatra hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Miisa 61 ireo marary vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Andranoro-Antehiroka izay voatery nentina teny amin'ny Hopitaly 3 samihafa... ♦ Misy amin'ireo taxi-be miasa ao an-drenivohitra no manambana ny hitokona rahampitso... ♦ Tafakatra 49 ireo departemanta any Frantsa nahazo filazana miloko mena, izay loza mihatra amin'ny hafanana be mahery vaika anio...

♦ Miisa 10 hatramin'izao ireo matin'ny MPox teto Madagasikara hatramin'ny nidiran'ny valan'aretina ity. Nisy olona 2 lavon'ny aretina indray ny alakamisy teo araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly... ♦ Manohy ny fiara-miasa amin'ireo laharam-pahamehana hahazoana tombontsoa iombonana i Etazonia sy Madagasikara. Isan'ny nivoitra izany nandritry ny fankalazana ny faha-250 taonan'ny Fahaleovantenan'i Etazonia sy ny faha-160 taona niarahany niasa tamin'i Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny mety ahafoana ny 30%-ny orinasa mijoro ireo Malagasy mpandraharaha noho ny IA...

♦ Nanao veloma an'ny Mgr Tomaz Gryza, Nonce Apôstôlika eto Madagasikara ny Arsidiôsezin'Antananarivo omaly. Izy izay voatendry hiasa any Ouganda ny 14 mey 2026 teo... ♦ Nikarakara ady hevitra momba ny asa fanaovan-gazety manoloana ny firoboroboan'ny tontolon'ny nomerika sy ny tambazotra serasera ny Oniversite Katôlika Madagasikara (UCM). Tsy azo ialana intsony ny tontolon'ny nomerika hoy ny mpandray anjara... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny tolona tamin'ny volana septambra sy ôktobra tamin'ny taon-dasa ny firaisamonim-pirenena manoloana ny fizotry ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena...

• Mampanahy ny firaisamonim-pirenena ny fizotran'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, indrindra fa ny fanemorana indray ny fotoana hanombohana azy... • Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy androany, ny firosoana ao anatin'ny rafitra nomerika i-SAVA... • Niadian-kevitra teny amin'ny UCM Ambatoroka androany, ny mahakasika ny asa fanaovan-gazety, manoloana ny firoborobon'ny tontolon'ny nomerika sy ny tambajotram-piarahamonina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...