♦ .Tokony efa miova amin'izay ny fomba fifandraisan'ny mpamatsy vola sy ny Fanjakàna Malagasy ankehitriny hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Kely ny vola ampiasain'izy ireo noho ny tsy fahatokisana ny Malagasy tany aloha tany.. ♦ Vitsy ireo kaominina eto Madagasikara no afaka nampijoro ny Rafitra Ifotony Fikaonandoha takian'ny lalàna. Nanao tombana momba izany ny firaisamonim-pirenena MSIS Tatao... ♦ Mivoatra mamokatra mitodika amin'ny tsena ankehitriny ny kaoperativa Tambatra any Andapa Faritra Sava noho ny tohana nataon'ny fandaharan'asa Asa Avotra Mirindra...
♦ Fisandohana andraikitra no nataon'ireo mitonona ho solontenan'ny KFIM kanefa tsy manana fanomezam-pahefana araka ny nambaran'ny Filoha nasiônaliny Elia Rabevahiny. Tsy nisy fiovana ny birao nasionalin'ny KFIM... ♦ Mbola tsy mandray ny asany 10 volana taorian'ny nandraisana azy ho mpiasam-panjakàna ireo tanora nisitraka izany eo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa... ♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny INBAR sy ny fiaraha-miasa Sinoa ireo mpanao asa tanana vita amin'ny volobe mivondrona ao amin'ny AFIMA eny Ambilanibe-Andavamamba, Antananarivo, entina hiantsehatra amin'ny tsena...
♦ Nanamafy androany Andriamatoa Elia Rabevahiny fa tsy miova ny birao nasiônalin'ny KFIM ary mpisandoka izay mitonona ho filoha nasiônaly vaovao... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Ampefiloha, androany, ireo tanora 590 voaray ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana taknika izay tsy mbola miasa na dia efa nahavita fifanarahana arak'asa aza... ♦ Efa potika tanteraka ka tena mila vahaolana maika i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Pr Freddie Mahazoasy... ♦ Tsy nahafaly ny praiminisitra israeliana Beniamine Netanyahy ny lahateny nataon'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny fivoriamben'ny N.U...
♦ Nitondra ny teny fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy sy nanohana ny Radio Don Bosco tamin'ny fanatanterahana ilay tantara an-tsehatra "Ratsy fototra" natao teny amin'ny CC ESCA Antanimena ny sabotsy 19 septambra teo ny talen'ny RDB... ♦ Andray fitenenana voalohany mandritry ilay fivoriana avo lenta faha-81 ny firenena mikambana any New York rahampitso alakamisy 24 septambra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Voamarina fa tazomoka, tazo mahery ary kitrotro ilay aretina niparitaka ary nahafaty olona 37 tany amin'ny Distrika Ifanadiana ; ho fehezina anatin'ny taba-bolana ny aretina...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco