♦ Hitory noho ilay raharaha fitifirana mpiasan'ny La Gastronomie Pizza teny Namontana ity orinasa sy ny fianakavian'ny niharam-boina. Fihoaram-pefy no nataon'ny pôlisy hoy ny mpisolovava azy ireo, omaly... ♦ Nomarihana omaly ny andro maneran-tany ho an'ny mpanabe. Efa hita taratra ny ezaka ataon'ny fitondrana fanavaozana amin'ny fitsinjovana ny fanabeazana hoy ny masoivoho Malagasy eo anivon'ny UNESCO... ♦ Manaitra ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena amin'ny fandoavana ny vola fanampiana ny Federasiôna ny eo anivon'ny Malagasy Rugby. Namoaka ny alahelony ny filohan'ny federasiôna, omaly...
• Nametraka fitoriana androany ny fianakavian'ireo lasibatra sy ny orinasa niasan'ireo mpiasa voalaza fa voatifitry ny polisy teny Namontana... • Lohalaharana amin'ny olan'ny fanabeazana maneran-tany ny tsy fahampian'ny mpampianatra, hoy ny Masoivoho Malagasy eo anivon'ny UNESCO, Christine Razanamahasoa... • Tompondaka lefitra, tamin'ny fifaninanana natao tatsy Maurice, ny Maki Lehilahy...
♦ Afaka miditra malalaka any Botswana tsy mila VISA manomboka izao ny teratany Malagasy, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ity firenena ity sy Madagasikara... ♦ Nihatra nanomboka androany ny fiovana amin'ny vidin-tsolika eto Madagasikara, nijanona tamin'ny vidiny teo aloha ny lasantsy sy ny gazoala raha nahitana fiakarany 200 Ariary isaky ny litatra ny solika fandrehitra... ♦ Nidina nanao fanadihadiana teny Namontana, toerana nisian'ny fitifirana ireo mpiasan'ny gastro pizza ny avy amin'ny police-judiciaire, nijery raha nisy ny fihoaram-pefy nataon'ny mpitandron'ny filaminana...
♦ Notanterahina omaly teo amin'ny kianjan'ny Kianjan'ny Lycée technique Marie Auxiliatrice, Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice (FMA) teto Madagasikara... ♦ Hanamafisana ny ady amin'ny kolikoly, ny dahalo ambony latabatra, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny vahaolana amin'ny famatsiana jiro sy rano ary ny vidin-tsolika hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Miverina indray ny olan'ny famoahana permis biométrique, mangataka amin'ny fitondrana mba hamerenana amin'ny hendriny baoritra mavokely ny sendikan'ny auto-école...
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco