♦ Hotanterahana ny 28 jolay hatramin'ny 01 aogositra izao ny herinandron'ny fampiroboroboana ny indostria. Tafiditra amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 ity hetsika ara-toekarena ity... ♦ Mihena ny voka-bary tamin'ny faritra maro tamin'ity taona ity, isan'izany ny tao amin'ny Faritra Vakinankaratra. Zara raha nahazo iray taonina ny tantsaha raha nampiakatra 5taonina isaky ny Hektara teo aloha... ♦ Nametraka andriamasom-pokonolona maharitra nomena ny anarana Voromahery ny ao amin'ny Kaominina Ankilimalinike-Toliara-II, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana mihatra amin'ny mponina...
♦ Olona maromaro no efa nahiditra am-ponja sy hanaovana fanadihadiana momba ny fisolokiana amin'ny fanadinana Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy mbola misy hoy izy fivoahan'ny laza adina mialohan'ny fotoana... ♦ Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy omaly ireo fianakaviana manana maty nametraka fitoriana noho ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 i Madagasikara hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny...
♦ Misy ireo olona nosamborina noho ny fisandohana ho mpiadina bakalôrea, tao koa ireo mpiadina nanao hosoka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony, ankoatra ireo nisoloky amin'ny laza adina izay efa notazomina am-ponja... ♦ Tanjon'ny fitoriana ataon'ny fianakavin'ireo lasibatry ny raharaha sampana hihazo Imerinkasinina-Ambohimalaza ny hamantarana ny marina indrindra ny hampiharana ny lalàna amin'ireo rehetra voakasika tamin'iny raharaha iny hoy ny mpisolovava... ♦ Efa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 hoy ny avy amin'ny fitondram-panjakàna androany...
♦ Tsy voafehin'ny mpitondra ny tontolon'ny serasera tamin'ilay raharaha Ambohimalaza, tsy vahaolana velively ny fanakatonam-baravarana ny mpanao gazety manao ny asany hoy ny filohan'ny vaomieran'ny serasera eny anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nahitàna FESO na DAUPHIN 22 maty tao amin'ny Baie de Besikidy any amin'ny fari-dranomasina arovana ao amin'ny nosy HARA any Avaratr'i Madagasikara ny alatsinainy 21 jolay lasa teo... ♦ Hiroso amin'ny fanaovana lavanty ampahibemaso ireo fiara nogiazany afaka roa volana ny ARAI... ♦ Nosamborina noho ny fahitàna singa misy "plomb" tamin'ny sakafo ho an'ny mpianatra ny talen-tsekoly iray any Chine...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco