♦ May ny ampahany amin'ny voka-pifidianana any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, taorian'ny famaizan'ny biraon'ny SRMV ny sabotsy maraina teo ; nitondra fanazavàn ny eo anivon'ny CENI... ♦ Miseholany tsikelikely ny fanoherana ny voka-pifidianana. Nidina nanao fampitahàna teny amin'ny CENI ny 4 amin'ireo kandidà ao amin'ny boriborin-tany fahatelo. PV miisa telo no tsy hita eny Alarobia, hoy izy ireo... ♦ Azo fantarina mialoha manomboka izao ireo haban-tseranana sy ireo vola rehetra ilaina amin'ny fanafarana entana. Nampahafantarina ny herinandro teo ny fitaovana momba izany, antsoina hoe "plateforme e-tarif"... ♦ Mbola hitazona ny fampihenàna ny famokarana solika ny OPEP+...
♦ Nirehitra androany tamin'ny 3 maraina ihany koa ny SRMV ao Tsiroanomandidy... ♦ Nanamafy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy fa ani Madagasikara ireo biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande. Hihazo an'ity firenena ity Andriamatoa Ministra amin'ny herinandro hitsidika... ♦ Nihetsika ny tany halina tamin'ny 11 ora sy 03 minitra... ♦ Mahazo vahana ny famonoana kandidà any Mexique, tafakatra 25 isa, ireo maty roa andro mialoha ny fifidianana...
♦ Mafana ny toe-draharaha tany Tsihombe vokatry ny tsy fitovian-kevitra amin'ny voka-pifidianana ka niafara tamin'ny fandrehetana trano... ♦ Miisa roa ireo faritra mando eto Antananarivo. Hampahafantarina amin'ny alalan'ny horonan-tsary eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina ao anatin'ilay hetsika Haody ry Gasikarako izany anio maraina... ♦ Hohamafisina ny fanatsarana ny serasera sy ny fampitam-baovao manoloana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, araka ny nivoitra tamin'ny atrikasa notarihan'ireo mpikarakara ny hetsika... ♦ Akon'ny korontana tany Nouvelle-Calédonie, vola hatrany amin'ny iray lavitrisa Euros no ilaina ho fanarenana ireo orinasa maherin'ny 500 simba sy rava...
♦ Nankalazaina tany amin'ny Saha Maitsoanala any Mandraka Ambatolaona Manjakandriana, ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny karazan-java-manana aina... ♦ Mbola misy olona roa karohina, voasaringotra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko sokatra sy varika tany Thailande... ♦ Mbola azo hitarina hatrany amin'ny 10 tapitrisa hekitara ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny tantsaha ao anatin'ny sehatry ny famokarana tantanam-pianakaviana...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco