♦ Notsipahan'Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko ny firotsahan-kofidian'Andriamatoa Rivo Rakotovao ho ben'ny Tanàna ao Mahajanga-I, amin'ny anaran'ny vovonana Firaisan-kina. Nametraka fitoriana teny amin'ny CENI izy ny faran'ny herinandro teo... ♦ Atsy amin'ny nosy Maorisy ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina, hanatrika ny lanonam-pianianan'ny sekretera jeneralin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana vaovao Edgard Razafindravahy hotanterahana anio izy... ♦ Nomarihana ny sabotsy 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin'ny haromontana. Aretina mbola mamono olona am-polony maro eto Madagasikara vokatry ny kaikitry ny alika mararain'ny haromontana...

♦Olan'ny famatsiana rano sy herinatra : Miha mitombo hatrany ireo toerana sy faritra hanaovan'ny mponina hetsika fanoherana ao Antananarivo-Renivohitra... ♦ Tsy nisy afa-tsy 17% ny vohoakan'Antananarivo renivohitra no nahavita nandoa ny hetrany tamin'ny taona 2021, nahatratra 3.000 mahery ireo fitarainana sy fangatahana fanitsiana hetra voarain'ny Kaominina... ♦ Antony faharoa hanatonan'ny olona ny toeram-pahasalamana ary aretina fahatelo mahatonga fahafatesana eto Madagasikara ny tazo moka... ♦ Any Gaza : 2 taona nisesy izao no niaina taona fotsy ireo mpianatra Palestiniana, mandranto fianarana amin'ny fampiasana teknolojia ampitain-davitra voakatr'izany ireo ankizy...

♦ Fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina : Naharaisana taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ny kaominina 1.695, ny alatsinainy 30 septambra no hamoaka ny lisitra vonjimaikan'ireo kandidà ny OVEC manerana ny nosy... ♦ Olan'ny vokam-panadinana bakalôrea tany Toamasina : Nandray fepetra hiantso ireo mpiadina afaka tamin'ny alalan'ny "délibération" nefa tsy voasoratra tao anatin'ny peta-drindrin'ny "université" ny sampandraharaha misahana ny fanadinana bakalôrea any an-toerana...  ♦ Nahazo tohana tamin'ilay fandaharan'asa Business Linkage Program vatsian'ny Banky Afrikana ho an'ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salatsalany miisa 300 avy amin'ny Faritra 18 teto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...