• Mitsidika Distrika maro ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Repoblika nanomboka omaly. Tsy manadino ireo Distrika tsy nisy mpijery nandritra ny taona maro ny fanjakana, hoy izy, isan'izany i Vohibato... • Tokony mametra-pialana ireo tompon'andraikitra tsy mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ka miteraka fahoriam-bahoaka amin'izao fotoana izao. Teny nataon'ny Depiote Gasikara Fenosoa tany Betafo... • Misedra olana amin'ny tsy fahampian-drà ny Malagasy. Nivoitra tamin'ny fanadihadiana natao manerana ny nosy momba ny tsy fahampian'ny singa mpamelona natao tamin'ny herintaona na ny ENCM 2024 izany...

• Ifampitadiavan'ny mpanjifa ny toby mpaninjara solika mivarotra lasantsy sy gasoil eto an-drenivohitra. Misedra olana ny mpitatitra. Efa tokony nosorohana mialoha izao tranga izao, hoy ny PMH... • Fotoana hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana eny anivon'ny kaominina izao, hoy ny KMF-CNOE, hisorohana ny olana mitranga tao aorian'ny fivoahan'ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana... • Tanterahana eto an-drenivohitra ny fihaonam-ben'ny firaisamonim-pirenena andiany faharoa. Mpikambana maherin'ny 200 manerana ny nosy no manatrika izany hatramin'ny rahampitso...

• Manomboka tsy ahitana solika intsony ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo, raha filaharam-be ny eny amin'ireo mbola manana tahiry. Ahiana hitarika any amin'ny fivarotana solika mitapoka izao olana izao, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... • Nomelohin'ny Fitsarana higadra 20 taona an-tranomaizaina, sazy mihatra, ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy. Nivoaka androany ny didim-pitsarana mihatra amin'ity manam-boninahitra eo anivon'ny tafika ity, izay tsy hita ny misy azy hatramin'izao... • Kasaina hovana ny lalana ahafahana manenjika ireo Solombavam-bahoaka, izay manana “immunité parlementaire”. Tsy maintsy hisy ny fanovana lalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota, hoy ny Filohan'ny CSI teny Tsimbazaza androany...

♦ Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fizotry ny fanadinana ara-panjakàna BEPC izay nifarana androany... ♦ Ny fanadihadiana momba ny zava-misy any Ikongo... ♦ Ny tanànan'Antananarivo no hampiantrano ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin'ny ranomasimbe Indiana (A.V.COI)... ♦ Manohy hatrany ny teny fanentanana nataon'i Papa François momba ny fiarovana ny Tranobe Iombonana, ny hafatr'i Papa Léon faha-XIV, ho an'ny fanamarihana ny andro eran-tany faha-10 hivavahana ho fiarovana ny voaary...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...