♦ Olana mbola mitoetra ny tsy fahampian'ny solika eto Antananarivo, ny fahatapahan-jiro mifandimby izay maharitra ora telo... ♦ Nahafaly ny vahoaka tao Ambodinonoka ny fanomezan'ny filan-kevi-panjakàna rariny ny Ben'ny tanàna Marthino Solonirina Zou. Nampiaka-peo kosa ny solotenan'ny Kandidà avy any Bekopaka satria nesorina ny Ben'ny tanàna any an-toerana... ♦ Dinihina mandritra ilay atrik'asa omen'ny FIPOL sy OLEP eny Ambatobe ny onitra vokatry ny loto an-dranomasina... ♦ Tsy nahafaly ireo Japôney ny fanambaran'i Donald Trump izay nanao fampitahana ary nampitovy ny daroka baomba nokleary tamin'ny taona 1945 ny daroka baomba farany teo tany Iran...
• Nomen'ny Filankevi-panjakana rariny androany, ny Ben'ny Tanana Marthino Solonirina Zou, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambodinonoka, Distrikan'i Vatomandry... • Namoaka ny andiany mpiofana tao aminy nisalotra ny anarana “Henikazy” ny Université Catholique de Madagascar, ka mpianatra miisa 287 no notolarana ny diplaoma Master 2, avy amin'ny sampam-piofanana samihafa... • Fanambin'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Baolina Kitra ny hametraka ny ivon-toerana eny Carion ho modely, ao aorian'ny fahavitany. Higadona eto Madagasikara hitokana izany ny Filohan'ny FIFA, raha ny namabaran'ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany...
♦ Mandray ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra ny ao Fianarantsoa androany. Fianakaviana 17.000 no hisitraka fanomezana avy amin'ny filohan'ny repoblika mandritra ny diany ao Matsiatra-Ambony. Hitokana zava-bita maro ny filoha... ♦ Nifarana amin'ny fomba ôfisialy nanomboka omaly ny asan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID). Ny Departemantam-panjakàna Amerikana no hiandraikitra ny fitantanana sy fanatanterahana ireo tetik'asan'ny USAID teo aloha... ♦ Hampahafantarina rahampitso ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny Faritra 23 momba ny tsy fahampiana singa mpamelona toa ny vitamina sy sira mineraly ilain'ny ENCM...
♦ Manambana hitokona ny mpiasan'ny JIRAMA raha tsy misy ny vahaolana mato-paika ho an'ity orinasa ity. Tandondomin-doza ny firenena noho ny olan'ny orinasa. Mitaky fandraisan'andraikitra miaraka izy ireo... ♦ Nanamafy ny Ôfisy Malagasy ny ankoraafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto Madagasikara. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika nefa ny mpanjifa tamin'ny omaly... ♦ Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro tamin'ity taona ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity faritra ity no antony mahatonga izany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco