♦ Maro amin'ireo kandidà ho solombavambahoaka no efa mamita-bahoaka sahady hoy ny antoko Teza. Mpanao lalàna no asan'ny solombavambahoaka fa tsy mpanao fandaharan'asam-pampandrosoana... ♦ Efa miomana amin'ny fanaraha-maso ny zotra-pifidianana ny vovonana Firaisan-kina. Tsy azo ekena intsony ny endrika hosoka sy fanovàna ny voka-pifidianana hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manohitra ny fandalovan'ny "ligne télépherique" eo ambonin'ny faritry ny toeram-panabeazany ny sekolintsika eny Analamahitsy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ireo mpanabe sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao, androany maraina...
♦ Nilaza ny handray andraikitra avy hatrany ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ho an'izay kandidà mihoa-pefy amin'izao vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Nanazava momba izany ny filohan'ny HCC... ♦ Voahilika ireo lisitra avy amin'ny antoko RPSD tokony ho anisan'ireo kandidàn'ny IRMAR. Anisan'ireo tsy hanohana ny kandidàn'ity vovonana ity any Manakara ny filoha nasiônalin'io antoko io raha nanao fanambaràna... ♦ Mandà ny fampiharana ilay fandaminana vaovao momba ny tsena napetraky ny kaominina Antananarivo ireo tompona magazay, mpivarotra ary mponina manodidina eny Analakely. Nanao fanambaràna nitsipaka izany izy ireo omaly...
♦ Handray fepetra avy hatrany amin'ireo kandidà tsy manara-dalàna mandritra izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny HCC... ♦ Nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandidà natolotry ny IRMAR ao Manakara, ny Filoha Nasiônalin'ny antoko RPSD, na dia ao anatin'ny vovonana ARMADA aza ny antoko tarihany... ♦ Nisy androany ireo tompon'ny magazay sy orinasa niaraka tamin'ny mpivarotra, nitsipaka ny fandaminana vaovao momba ny tsena ao Analakely...
♦ Ministtra mpisolo toerana avokoa no mitantana ministera 7 eo anivon'ny governemanta amin'izao. Hiteraka olana amin'ny fampandehanana ny raharaham-panjakàna izany hoy ny antoko Vonona Hijoro ho an'ny Tanindrazana... ♦ Tsy ankasitrahan'ny vovonan'ny Sekoly tsy miankina ny hanokànana toerana ireo mpiadina mahaleontena mandritra ny fanadinana Bakalôrea. Famotehana ny fampianarana sy ny sekoly tsy miankina izany hoy izy ireo... ♦ Olona 3 indray no nisy naka an-keriny tao Fieferana Anjozorobe ka mitaky vola 140 tapitrisa Ariary ireo jiolahy. Handraisana fepetra manokana izao zava-misy izao hoy ny Praiministra ny faran'ny herinandro teo...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco