♦ Miaka-dapa eny Tsimbazaza nanomboka androany ny mpikamban'ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian. Fotoana ahafahan'ny solombavambahoaka mametraka fanontaniana amin'ny fahefahana mpanatanteraka momba ny fizotry ny raharaham-pirenena... ♦ Mahatratra 100 tapitrisa Dôlara isam-bolana ny vola nomerika mivezivezy eto Madagasikara. Tsy maintsy amafisina ny fahamalinana manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN... ♦ Nanomboka androany etsy amin'ny CCI Ivato ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany (ITM) andriany faha-11 sy ny Foara Iraisam-Pirenena ho an'ny Asa-tanana andiany faharoa...
♦ Hihaona amin'ny Papa Léon XIV any Vatican ireo Evekan'i Madagasikara ; izy ireo izay manao fivahinianana Masina ao Rôma... ♦ Mitodika eny Tsimbazaza ny fahalianan'ny mpanara-baovao politika. Hihaona amin'ny solombavambahoaka ireo mpikamban'ny governemanta anio sy rahampitso zoma, horesahina ny fiainam-pirenena... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny herinandro fampiroboroboana ny Indostria ao amin'ny SADEC. Hetsika hotanterahana ny 28 hatramin'ny 1 aogositra izao. Handray anjara amin'izany ny Malagasy Mpandraharaha...
• Efa tonga any Vatican Roma, ireo Evekan'i Madagasikara hanatontosa fivahiniana masina. Hisy ny fihaonan'izy ireo amin'ny Papa Léon XIV, amin'ity dian'izy ireo ity... • Rahampitso no hifanatrika mivantana eny Tsimbazaza ireo mpikamban'ny Governemanta, hotarihin'ny Praiminisitra, sy ireo Solombavam-bahoaka... • Fanararaotra lehibe ho an'ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny handraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC, afaka volana vitsy...
♦ Afahana mitondra ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony ny fihaonana mivantana hiarahan'ny mpanatanteraka sy ny députés manomboka rahampitso hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza... ♦ Malagasy 2,3 tapitrisa no mivelona mivantana amin'ny fanaovana asa-tanana, nampidi-bola 32 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna izany ho an'ny taona 2024... ♦ Atsantsa milanja 16 taonina mahery, tra-tehaka tamina sambo mpanjono Sri-lankais ... ♦ Nankatoavin'ny Fiketrahana Masina tamin'ny volana marsa teo, ny fahamarinan'ny fisehoan'ny endrik'i Jesoa Kristy tamin'ny Hostia iray, nandritra ny Sorona Masina tao amin'ny Paroasy ambanivohitry ny Faritra atsimon'i Inde...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco