♦ Tanterahina ny alatsinainy 2 mey izao ny fananganan-tsaina ôfisialy ho fanamarihana ny faha-65 taona nahazoana ny fahaleovantena, hanokatra izany eny amin'ny Parvis an'ny Hotel de ville Analakely ny filoha Malagasy... ♦ Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana teto Madagasikara ny Malagasy Professionnels de l'Elevage (MPE), notanterahina omaly ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany... ♦ Raharaha nahafatesan'olona maro tany Ikongo : Ny volana febroary teo no tsikaritra fa niakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka tany an-toerana, handrasana hatrany ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny ministeran'ny fahasalamana...

• Hosokafana amin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy ho avy izao eny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tanana Analakely, amin'ny alalan'ny fananganan-tsaina, hotarihan'ny Filohan'ny Repoblika, ireo hetsika fanamarihana ny faha-65 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovan-tena... • Nampiroborobo ny sehatry ny fiompiana teto Madagasikara ny MPE, tao anatin'ny 30 taona nijoroany... • Manome tantsoroka ny fitsarana ireo manam-pahaizana manokana mivondrona ao amin'ny CAREA, rehefa misy fanazavana ara-teknika na siantifika ilana azy ireo...

• Tsy asa mora ny fanabeazana, kanefa fanambin'ny Sekoly Katolika ny famolavolana olona feno mba hahafahan'ny rehetra misitraka hafaliana... • Misy ireo fepetra tsy maintsy hajain'ireo mpiadina bakalorea manoloana ny fiatrehana ny adina ara-panatanjahan-tena, hoy ny tompon'andraikitra... • Marolafy ireo tsindry mahazo ny karazan-java-manana aina eto Madagasikara. Misy anefa ireo vahaolana mifandraika amin'izany entin'ny Minisitera...

•“Sekoly Katolika mijoro, manabe ny olona manontolo no antoky ny ho avy”. Lohahevitry ny andron'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo, izay ankalazaina anio eny Antanimena... • Nandefa taratasy misokatra ho an'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, izay filohan'ny fanoherana ofisialy, Randrianasoloniaiko Siteny... • Tafajoro ny sehatra ifanakalozan'ny antoko politika ho fanatsarana ny fanaovana politika eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...