Alatsinainy 03 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

0 : 00

Zavatra maromaro no azo resahina amin’ity Vaovao Mahafaly ity fa efatra no tiana asiana tsindrim-peo amin’ny fifampizarana izay atao.

Voalohany àry, rehefa miaraka amin’i Jesoa, tsy misy miala maina na iza na iza. Dia rentsika teo hoe : “rehefa avy nihinana ka voky ny vahoaka dia izay vao noravana”. Arak’izany, tsy tokony hitovy mihitsy ny herim-panahy ananantsika mialohan’ny mankany am-piangonana sy avy any am-piangonana, satria rehefa avy niatrika an’Andriamanitra tokony ho voky zava-tsoa.

Faharoa, tsy mahagaga raha tsy avy hatrany dia nahafantatra an’i Jesoa ireto mpianatra teny ambony sambokely. Ny antony : tamin’ny fiambenana fahefatra no nitranga ny seho ; izany hoe teo anelanelan’ny amin’ny telo maraina sy amin’ny enina maraina io. Mbola jembin’ny torimaso ary mbola maizimaizina ny andro. Tsy fahita rahateo ny mahita olona mandeha eny ambony ranomasina. Fa, misy fampianarana tiana hampitaina amintsika eo, dia izao : ny ranomasina ao amin’ny Soratra Masina dia maneho na hoe tandindon’ny ratsy sy ny herin’ny maizina (symbole du mal et des ténèbres). Ka, io fihetsika asehon’i Jesoa io dia maneho fa afaka manitsakitsaka ny ratsy sy ny herin’ny maizina Izy, ary Andriamanitra mahafehy ny tontolo. Izany indrindra no mahatonga Azy miteny aminao, miteny amiko hoe : “manoloana ny zavatra manjavozavo eo amin’ny fiainana izay tsy ahitana mangirana sy manoloana ny zavatra mampatahotra sy mampitebiteby, matokia fa Izaho ihany, hoy Izy, ka aza matahotra.

Fahatelo, olombelona ihany isika, ka tsy afaka ny hihambo ho lavorary amin’ny fahatokisana an’Andriamanitra ; ka rehefa manomboka milentika, tahaka an’i Piera, ny tsara indrindra ary maika dia ny manandran-tanana na miantso vonjy amin’Izy Tompo. Fa tsy maintsy manolo-tanana Izy tahaka ny nataon’i Jesoa eto. Izany hoe, manoloana ny olana, sedram-piainana, ny fijaliana isan-karazany, aza misarangotra any an-kafa na mitady fomba hiafenana sy handosirana. Any amin’i Jesoa misarangotra fa manolo-tanana anao Izy.

Farany, tsetsatsetra tsy aritra no hamaranana azy. Manendry ny morotongotra akanjon’i Jesoa ny olona dia nahita fanasitranana, mainka va fa isika izay mandray ny Tenany mihitsy amin’ny Komonio Masina ? Mampandinika izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...