Ny "Sôvaramita" dia karazana literatiora malagasy teraka teo amin'ny taona 2013. i L. Niry Andriamora na Rasolonirina Léon Gabriel sy Ra-PHI na Rakotoniaina Jules Philibert no angady nanana sy vy nahitana azy ity. Samy niandoha tamin'ny fanoratana tononkalo moa i L. Niry Andriamora sy Ra-PHI. Fitambarana voambolana roa n hoe : "Sôvaramita" ka "Sôva" miampy "kidaomaramita." Ny hoe "ramita" dia avy amin'ny hoe kidaombaramita, izay isan'ny ngadona ampiasain'ny mpanoratra. Anatin'ity karazana literatiora ity dia misongadina ny filalaovana teny sy ny fizaràna fahalalana ; tokony mahalala ny tantara sy ny riba ary manome lanja ny soatoavina ny mpikanto azy.

Ny tontolo iainana dia izay iriariavan'ny olona : ny tany, ny ala, ny rano, ny tanàna, ny faritra honenana sy izay rehetra eo aminy. Ny tontolo iainana dia ilay tandrovina sy kajiana ary arovana. Ny tontolo iainan'ny olona dia misy sehatra roa lehibe dia ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra. Ho fikajiana ny tontolo iainana dia tandremanana ireo izay mety hiteraka vahavoazana mihatra amin'ny aina sy ny mihatra amin'ny saina. Ireo fahasimban'ny tontolo iainana mihatra amin'ny saina dia azo raisina ohatra ny mikasika ireo teny sy voambolana hampiasaina amin'ny dokam-barotra mampiasa teny diso na mampifangaro ny teny vahiny amin'ny teny malagasy...

Ny anaran-java-maniry dia misy dikany mifandroy amin'ny sehatra roa lehibe dia ny hampiasana azy sy ny ahitana azy. Ny fampiasana azy ireny dia matetika amin'ny fomba mahamalagasy, kiraina ho fitaovana ary ampiasaina ho fanafody. Ny amin'ny fomba ohatra : borona fanasana fery amin'ny hasoavan-jaza, ny ahibita hidiovana rehefa avy nolalovan'ny fahoriana. Tamin'ny andron'ny Ntaolo tsy nisy ny toeram-pivarotana na fanodinana fanafody fa ny zava-maniry no nampiasaina toy ny talapetra...

Ny "kapobava" dia avy amin'ny voambolana roa "kapoka" miampy "vava". Ny "kapobava" dia tsy fanalambaraka olona akory fa kosa fitondrana fanitsiana ny tsy mety nataon'ny olona iray, mety manitsaka ny lalan'ny fiaraha-monina. Lahatsoratra miendrika tononkalo ny kapobava, mitsikera, manatsikafona ny tsy fahamendrehana ara-pitondran-tena, fiteny, fihetsika, fanao mivaona amin'ny fitsipiky ny fiaraha-monina. Poeta, antsoina hoe Jacques Ulrick no loharano nipoiran'izy ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...