Na dia nilamina tanteraka aza ny alina voalohany nodiavin'i Jaona sy Nary dia toy ny mahazatra, tonga indray ny fanakorontanana. Nisehoan'i Hanitra izy roa lahy, ary nilazany i Jaona mba hampita maika amin'i Njaka rainy fa hoe tsy ety intsony izy ary ao anaty efitranony no misy ny tsiambaratelon'i Hanitra.

May volon-tratra ireo iraky ny andriambaventy sy ireo mpiara-dia taminy hanenjika an'i Leva ka hanao izay hahafaty azy mihitsy, araka ny baikon'ny andriambaventy : tsy maintsy taperina ny ainy fa raha tsy izany dia i Leva no hanondro tsirairay ny endrik'izy ireo ka hoadinin'ny andriana ireny olona ireny, dia tsy maintsy ho fantatra amin'izay fotoana izay fa ny andriambaventy no naniraka azy ireo hamono olona.

Nahazo namana hiara-mipetraka aminy araka ny nangatahany tamin'i Njaka i Jaona. Afaka ny tebiteby sy ny tahotra mahazo azy satria tsy irery intsony izy hiatrika ny fanakorontanana isak'alina nahazo azy sy ireo roa lahy nodiambiasany teo aloha. Very hevitra amin'ny fomba atao hisavana ireo volamena ao an-tanànan'i Njaka i Rasedy noho ny fisian'i Jaona, tsy hahafahany migalabona amin'ny fisavana ny trano rehetra.

Nitohy ny fifanjevoana. I Leva sy i Anja an-kilany manao izay fara tatry ny herin'izy ireo mba hanatrarana ny tanjona dia ny hanapoirana ny marina ao an-tanàna miaraka amin'ny porofo tsy azo hiodivirana, ny andriambaventy sy ny mpanozon-doha miaraka amin'ireo ekipany manohy hatrany ny fifofoana ny ain'i Leva sy i Anja mba tsy hifoteran'ny zava-kendreny, ka sanatria hahavoa azy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...