Nampiomana an'i Faly ny rainy fa hisolo toerana azy vonjy maika eo amin'ny asany i Faly, mandritra ny fotoana hananganany ny orinasan'izy ireo any Toamasina. Nahita hirika hanadihadiana ny momba an'i Faly sy ny rainy tamin'ny alalan'ny mpanampy azy ireo dia tsy iza fa i Fara i Rebeca, raha voatery niandry azy ireo tao an-trano raha sendra nitsidika tany.

Tonga tao amin'i Rajao sakaizany ny mpanoratra niaraka tamin'ilay zanany kely indrindra, ny fanatonana an-dRajao izay tena anton-diany ao Iarivo, nahoana ? Hiaiky faharesena eo anatrehany momba ny resaka nifanaovan'izy ireo amam-polon-taona maro lasa izay, momba ny hany fomba hahitana fahasambarana eo amin'ny fitiavana, dia tsy inona tsy akory fa ny hoe : fanefena olona iray hifanaraka amin'ny fiainana sy ny fisainan'ny tena.

Nosokirin'i Tsiky mandrakariva tamin'i Rebeca ny momba an'i Faly. Tsy sarotiny koa i Rebeca fa dia manome fahafaham-po an'ity mpiara-miasa aminy. Tsy an-tsary intsony fa tena nanoloana an'i Faly i Tsiky, no latsa-pitia taminy avy hatrany, raha nasain'izy roa hiara-hisakafo taminy tany amin'ny restaurant. Vokatr'izany sahiran-tsaina i Tsiky nanomboka hatreo.

Naka rivotra any Iarivo hisaintsaina ny zava-misy eo anivon'ny tokantranony ny mpanoratra, niaraka tamin'ny zanany kely indrindra. Tao anatin'izany no nifanenany tamin'ny iray tamin'ireo mpiara-mianatra taminy fahiny, ka nahatsapany ny fahasamihafan'ny fisainan'ny olombelona. Saingy na samy manana ny fisainany aza ny olombelona, rehefa ampifanojoan'ny fitiavana dia mifanatona.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...