Tonga ny tsontsorimamba hisarahana teo amin'i Noro sy i Line Bordas. Na izay teny aloaky ny vava hamenoana ny fanginana avy amin'ny an-daniny sy ny an-kilany, maneho ny alahelo mitambesatra hiatrehana ny fisarahana aza, tsy hita notsongaina. Lasa i Line Bordas nitodi-doha ho any Frantsa. Navesatra ny fisarahana.

Dia nanaram-po tamin'ny filan-dratsy isan-karazany i Tsinjo sy i Vania rehefa nahazo volabe tamin'i Rose. Nandainga izy ireo fa hoe mila miala sasatra any Mahajanga kanefa nentiny nangalana vola fotsiny izany. Ny filibana amin'ny famonjena alim-pandihizana sy ny fiarahana nisotro tamin'ireo naman-dratsy ary ny fividianana fitafiana no nandanian'izy ireo ny vola.

Tovovavy nandova be i Rose. Mampanofa trano am-polony ao Antananarivo. Saingy tsy mba mpanan-karena mahihitra. Noararaotin'i Tsinjo sy Vania izay zanaky ny fianakaviany avy any ambanivohitra irahana handranto fianarana any an-drenivohitra izany ka nofahanany lainga tsara lahatra i Rose mba hanaovan'izy ireo ny sitrapo ratsiny.

Ny fahalalana an'i Line Bordas tao anatin'ny folo andro no nisantaran'i Noro ny fanitsahana ny morontsirak'i Mananjary. Nifaningotr'aina tao anatin'ny fotoana fohy izy roa. Fifaningoran'aina nitalahoan'i Noro tamin'Andriamanitra mihitsy, ny mba hitsimbinany ny fiainan'i Line Bordas sy ny mba hiverenan'ny tantarany amin'ny tokony ho làlany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...