Tafahaona i Pita sy Tsaraby ary i Noro. Fotoana nampitan'i Noro ny hafatra avy amin'i Line Bordas ho an'ity rahavavy kambana aminy. Hafatra mifono firariantsoa, indrindra indrindra mitondra fanomezana sarobidy, hanosehany an'i Tsaraby hivoatra, mba hanana fiainana tsara lavitra kokoa noho izay iainany ankehitriny.

Lany vola i Tsinjo sy Vania. Tsy maintsy mody any ambanivohitra izy ireo. Mararin'ny hatavezana i Rose. Nanatona mpitsabo izy, ary vonona ny hanatanteraka izay voalazan'ny mpitsabo rehefa natahotra mafy ny amin'ny mety ho voka-dratsin'ny hatavezana.

Tsy nijanona fotsiny ho nofy tsara teo amin'i Noro sy ny fiainany izay rehetra nolalovana sy niarahana tamin'i Line Bordas, fa nanenika ny rivotra iainan'izy ireo manontolo. Na dia tsy mbola nisy valiny aza ireo taratasy maro nalefan'i Noro ho azy, dia tsy kivy izy : fa toy ilay mihinana voan'aviavy ka ny farany no andrasana.

Tonga avy any Mahajanga araka ny fitaka nataon'izy ireo tamin'i Rose i Tsinjo sy i Vania. Namantana tao amin'i Rose hatrany. Nampiadaniny tanteraka na tamin'ny sakafo na tamin'ny fitafiana. Tsy nihafihafy mihitsy. I Rose rahateo, tia manaram-po amin'ny fihinanan-kanina ary efa tena tafahoatra mihitsy aza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...